Actualités
▸ Donation : ONG PIVOT (16 octobre 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Fampitaovana avy amin'ny ONG PIVOT izay entina hanamafisana sy hanatsarana ny tontolon'ny fitsaboana eto anivon'ny CHU Tambohobe.
....Koa mankasitra hatrany ny ONG PIVOT amin'ny fiaraha-miasa hatramin'izay sy fifarimbonana amin'ny ny ezaka ny Hopitaly Tambohobe amin'ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka.













▸ Donation : Logistique Entraide Humanitaire (7 septembre 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Fiara-miasa niarahana tamin'ny Association LEH (Logistique Entraide Humanitaire) izay nanomezany fitaovana isan-karazany hoan'ny CHU Tambohobe.
Isaorana ny Association LEH izay nisafidy ny hanampy ny CHU Tambohobe tamin'ny izao fampitaovana izao.
Ny hirariana dia ny mbola hitohizan'ny fiaraha-miasa maharitra.








▸ Donation Association Terre des Hommes Alsace (23 Octobre 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Fiaraha-miasa efa hatramin'ny taona 2004 niarahana tamin'ny Association Terre des Hommes Alsace (TDH Alsace) sy ny service pédiatrie (CHUT) dia mbola mitohy foana izany, ka tonga nitondra fitaovam-pitsaboana maromaro ry zareo androany izay noraisin'ny Talé Teknika ny CHU Tambohobe sy ny Chef de service pédiatrie.
Fisaorana lehibe no atolotra ny Association Terres des hommes Alsace nanome ireo fitaovam-pitsaboana ireo satria dia manampy be dia be amin'ny ezaka ataon'ny hopitaly amin'ny fanatsaràna hatrany ny fitsaboana ny zaza izao fampitaovana izao.














▸ 15 éme anniversaire du service neurochirurgie du CHU Tambohobe (02 octobre 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Omaly
2 Oktobra 2023 no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny
faha-15 taona nisian'ny Service de Neurochirurgie teto amin'ny CHU
Tambohobe Fianarantsoa izay notarihin'ny Talé eto antoerana Dr
RAOTOMALALA Andy Rakoto, Chef de service neurochirurgie Dr RAJHONSON
Lantoariliva ary notronon'ireo olo-manankaja isan-tsokajiny.












▸ Consultation gratuite (28 septembre 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Hetsika
varavarana misokatra amin'ny Hopitaly manerana ny nosy ny andron'ny
28,29 ary 30 Septambra 2023 , mandray anjara mavitrika amin'izany ny
Hopitaly CHU Tambohobe Fianarantsoa.
Fitiliana : - Areti-maso(Katarakta)
- Diabeta
- Faingo sela (Drepanocytose)
- Homamiadan'ny nono (mammographie)
- Homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza
- VIH SIDA
- Aretina sohika (Asthme)
Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana (Planning Familial)
Fandraisana ny Olona hanome Rà
Didipoitra faobe.
Marihana fa maimaim-poana ny Tolotra rehetra.










▸ DIGITALISATION (29 Août 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Ho fanamafisana ny '' Digitalisation'' sy ny ady amin' ny kolikoky eto anivon'ny CHU Tambohobe dia mitohy hatrany ny Fametrahana ny '' Base de donnée '' nataon'ireo mpianatra avy ao amin'ny EMIT(École de Management d'Innovation Technoligique) izay avy nanao Stage nandritran'ny 3 Volana ka nahavitany izany ka mahakasika ny '' Planning Familial '' indray no napetraka tato @ service médecine préventive. Nandray izany ny chef de service Dr Natacha.
Isaorana hatrany ny Mpianatra avy ao amin'ny EMIT nahavita izany ary mbola mampirisika azy ireo ho tonga amin'ny sehatra ambony hatrany.


▸ ASIEF 2023 TOAMASINA (CHU TAMBOHOBE)
Misaotra betsaka an'i Mr Brussot sy ny ekipany nanandratra avo ny lazan'ny CHU Tambohobe Fianarantsoa teo amin'ny taranja karate tamin'ny lalao ASIEF 2023 izay notanterahina tany Toamasina 




- Champion Kata par équipe.
- Vice-Champion Kata individuelle.
- Vice-Champion combat par équipe.


- Medaly volamena 2.
- medaly volafotsy 2.
Ankasitrahana indrindra ny ao amin'ny Direction n'ny CHUT-F tamin'ny fikarakarana.Mirarisoa sahady hoazy ireo amin'ny lalao manaraka any Nosy Be Hell Ville!


▸ ASIEF 2023 TOAMASINA (CHU TAMBOHOBE)

Miarahaba ireo mpikambana amin'ny taranja Dihy ao amin?ny CHU Tambohobe Fianarantsoa noho ny fampisehoana miavaka nataon'izy ireo tamin?ny lalao ASIEF 2023 izay notanterahina tany Toamasina lasa teo.


- Mme Charlie (sage femme au service oncologie au CHUTF) championne catégorie 35-45 ans.


Champions en 5 danses série D : Mr Brussot et Mme Charlie


- Medaly volamena 2.
- medaly volafotsy 1



▸ ASA TANAMARO (19 Août 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Notontosaina anio sabotsy 19 Aogositra 2023 ny asa tanamaro teto anivon'ny CHU Tambohobe Fianarantsoa.
Sampandraharaha maro miankina sy tsy miankina no nanantanteraka izany hetsika izany .
Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny ny Talen'ny CHU Tambohobe Dr Andy RABEHARISOA, ka isan?ny nandray anjara mavitrika tamin?izany ny avy ao amin'ny fari-piadidian?ny zandarimariam-pirenena ,ny miaramila ,ny penitentiaire,ny Bianco,ireo mpiasan'ny fahasalamana maro eto anivon'ny hopitaly Tambohobe, ireo mpianatra ho mpitsabo miankina sy ny tsy miankina sy ireo fokonolona manodidina izay notarihin'ny sefom-pokotanin'ny Tambohobe...
Tontosa antsakany sy andavany ny asa tanamaro ka nitondra ny fisaorana mitafotafo amin'ny anaran'ny mpiasa rehetra eto amin'ny CHU Tambohobe ny Talen'ny CHUT, ary manantena hatrany izy ny mba hitohizan'ny adidy masina ho fanatsarana ny hopitaly.






▸ Atéllier de formation sur le code de déontologie et Code d'éthique des Infirmiers et Infirmières (27 juillet 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Ho tohin'ny fanentanana ny mpiasan'ny fahasalamana atao amin'ny ady amin'ny Kolikoly dia anjaran'ny Infirmiera indray androany ny fampahatsiahivana ny '' Code de déontologie'' sy ny ''Code d'éthique''.
Izay nitarihin' ny Lehiben'ny Mpiasa CHU Tambohobe sy niara-niasa tamin'ny filoham-paritry ny holafitry ny Infirmiera.



▸ Atélier de formation sur les protocoles de soins des sages Femmes (20 juillet 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Ny andron'ny Alakamisy faha 20 Jolay 2023 lasa teo no namory ny Mpampivelona miasa eto amin'ny CHU Tambohobe ny lehiben'ny Mpiasa, izay niara-niasa tamin'ny Filoham-paritra ny Mpampivelona Matsiatra ambony sy ny fikambanan'ny Mpampivelona.
Ny tanjona dia ny mba fiadiana maharitra amin'ny ady atao amin'ny kolikoly eo anivon'ny tobim-pahasalamana.
Ny lohahevitra nodinihana tamin'izany dia ny fampahatsiahivana ny fepetra ankapobeny mifehy ny asan'ny Mpampivelona, ny andraikitra, sy ny lalàna mifehy ny asa ary ny famporisihana ny Mpampivelona hiditra sy hisoratra anarana amin'ny holafitra.



▸ Donation (21 avril 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Androany 21 aprily no tonga teto amin'ny CHU Tambohobe ny Solombavam-bahoaka Seth RAJOELINA sy ny Talem-paritrin' ny mponina izay notronon'ireo fikambanam-behivavy eto amin'ny faritra. Tonga nanolotra fampitaovana izy ireo izay nahitana kidoro miisa 10 ary latabatra fandidiana.
Nandray izany fitaovana izany teto ny Talem-paritrin'ny Fahasalamana sy ny Talen'ny CHU Tambohobe ary dia nitondra ny teny fisaorana. Nanambara moa ity farany fa mendrika sy rariny ny CHU Tambohobe ra nahazo ireto fampitaovana ireto satria dia efa somary antitra ihany ny fitaovana ary efa tsy ampy ihany koa no sady efa misy simba.
Isaorana ny Solombavam-bahoakan'i Fianarantsoa Seth RAJOELINA mbola mahatsiaro ny CHU Tambohobe tamin'ireto fampitaovana ireto.
Marihana fa nomena ny servisy Maternité ireto fitaovana ireto ka tonga nandray azy teto antoerana ny solotenan'ny mpiasa tato amin'ny servisy.





▸ Atélier de formation avec le BIANCO (28 Mars 2023) (CHU TAMBOHOBE)
Nisy ny fiofanana nataon'ny tompon'andraikitry ny BIANCO (Bureau Indépendant Anti-Corruption) nomena ny mpiasan'ny fahasalamana teto amin' ny CHU Tambohobe androany izay natrehan'ny solotenan'ny Ben'ny Tanàna
Izao no natao dia mba hampahafantarana misimisy kokoa ny atao hoe KOLIKOLY.
Novelabelarina tamin'izany fa tsy voatery ho fanolorana vola no endriky ny kolikoly fa mety ho zavatra hafa (trano, fiara...).
Izany hoe misy fifanoloran-javatra ao anatin'ny KOLIKOLY.
Nohamafisina tamin'izany fa mila ovaina ny toe-tsana sy ny fomba fiasa ary ny fampiharana ny lalàna raha hiady amin'ny KOLIKOLY.
Isaorana ny Tompon'andraikitra eo anivon'ny BIANCO nanome izao fampiofanana izao.







▸ Don matériel médical pou un patient (01 décembre 2022) (CHU TAMBOHOBE)
Tsy mijanona eo amin'ny lafon'ny fitsaboana ihany ny CHU Tambohobe fa anisan'ny vina ihany koa ny fanolorana fitaovana hoan'ny olona sahirana ara-pahasalamana, ka androany no nanolorana ''fauteuil roulant'' hoan'ny olona sahirana ara-pitsanganana izay notsaboina tato amin'ny service neuro-chirurgie.
Tonga nanolotra izany ny Talen'ny CHU Tambohobe Dr RABEHARISOA Raotomalala Andy Rakoto.
Raha tsiahivina dia anisan'ireo fitaovana azo avy tamin'ny '' Association Les Enfants de Fianara (LEDEF)'' ireto fitaovana ireto.



▸ Atélier de formation sur la Corruption (30 septembre 2022) (CHU TAMBOHOBE)
Androany 30 septembre 2022 no nanatanterahana ny fivoriana niarahana tamin'ny tompon'andraikitra ny BIANCO sy ny FOP. Novoaboasana tamin'izany ny mahakasika ny kolikoly sy ny asam-panjakana amin'ny lafony rehetra.
Teo ampanokafana no nilaza ny Talen'ny CHU Tambohobe fa :
Fanatsarana ny tolotra ara-pitsaboana no omena ny mpanjifa tsy hanavahana saranga.
Nanambara ihany koa ny Talem-paritra ny fahasalamana fa :
Isaorana ny tompon'andraikitra rehetra tao amin'ny BIANCO sy ny FOP nanolotra izany fanazavana izany.






▸ Donation Association LEDEF (Les Enfants de Fianara) (13 septembre 2022) (CHU TAMBOHOBE)
Fiara-miasa niarahana tamin'ny Association LEDEF (Les Enfants de Fianara).
Omaly 12 septambra 2022 no tonga nanolotra fitaovam- pitsaboana isan-karazany ny LEDEF izay noraisin'ny Talen'ny CHU Tambohobe sy ireo Chef de service izay nahitana :
Lit médicalisé, table d'examen, matériels de bain pour malade, chariot pour malade, matelas, table à manger pour malade, chaise pliable, béambulateur, poussette, porte bouteille d'oxygène, cuvette pour bébé, chaise plastique pour handicapé, pinces pour chirurgie, matelas dentaire, berceau métallique avec roue, aspirateur...
Fisaorana lehibe no natolotrin' ny Talen'ny CHUT tamin'izany fampitaovana izany, ary nanamafy ny Talé fa miara-miasa isika hampandroso ny hopitaly fa indrindra hitsaboana ny marary.
Association LEDEF dia anisany tena manampy betsaka amin'ny famatsihana fitaovana ny CHU Tambohobe.
Isaorana ny Association LEDEF tamin'izany fampitaovana izany ary ny hirariana dia mbola hitohy foana ny fiara-miasa aminy.







▸ Collaboration avec le PIVOT (25 Août 2022) (CHU TAMBOHOBE)
Fiara-miasa mitohy hiarahana tamin'ny Ong PIVOT,
Tonga nanolotra fitaovana ry zareo izay nahitana : brancard pliable, micromoteur, contre angle B bleu, tour de labo.
Isaorana ny ong PIVOT nanome izao fampitaovana izao ary hirariana dia mba hiroborobo foana ny fiara-miasa.



▸ Passation (13 juillet 2022) (CHU TAMBOHOBE)
Natao androany 13 juillet 2022 tato amin'ny IFIRP ny famindram-pitantanana teo amin'ny Talen'ny CHU Tambohobe teo aloha Pr Mamy RABARIJAONA sy ny Talen'ny CHU Tambohobe vaovao Dr Andy Rakoto RABEHARISOA izay notronon'ireo manam-pahefana eto Fianarantsoa sy ny mpiasan'ny fahasalamana eto amin'ny CHU Tambohobe.
Fisaorana lehibe dia lehibe no atolotra anao Pr Mamy RABARIJAONA tamin'ny asa vitanao ho fampandrosoana ny CHU Tambohobe nandritra izay taona maromaro niasanao teto izay tompoko.
Arabaina koa enao Dr Andy Rakoto RABEHARISOA tonga amin' izao toerana amin'ny maha Talen'ny CHU Tambohobe anao izao, hitombo fahasalamana sy ny hery ary fahasoavana avy amin' Andriamanitra hanantanterahanao izao adidy miandry anao izao.
















▸ Journée mondiale du donneur de sang (14 Juin 2022) (CHU TAMBOHOBE)
Notontosaina teto amin'ny Toby fitahirizan-drà CRTS androany 14 Jona taona 2022 ny andro iraisam-pirenena hoan'ny mpanome rà antsitra-po izay notarihin'ny solotenan'ny Talem-paritry ny fahasalamana sy ny Talén'ny CHU Tambohobe ny fanokafana.
Nisy moa ny fizarana marim-pakasitrahana (certificat de reconnaissance)
Ny teny filamatra tamin'ity dia hoe: ''Manomeza Rà ho tahiry maharitra avotr'aina ho an'ny ampitso''
Manosika antsika hatrany mba hanome rà antsitra-po fa ny ''Manome rà manomé Aina''








