๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ต๐ถ๐ฑ๐ฎ๐ต๐, ๐๐น๐ฎ๐๐๐ถ๐ป๐ฎ๐ถ๐ป๐ ๐ฎ๐ด ๐บ๐ฎ๐ฟ๐๐๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฎ โ Manao tohivakana ny fanaovana ny asa ho fanatanterahana ny velirano fahadimy nataonโny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay miompana indrindra aminโny fanomezana fahasalamana ny vahoaka tsy ankanavaka.
Vaovao nisongadina taminโny herinandro lasa teo ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara. Voakasika manokana aminโizany ny fanatsarana ny famatsiana fanafody, indrindra any aminโireo toerana lavitra sy saro-dร lana. Araka izany, tontosa tany Antetezambaro, distrikanโny Toamasina II ao aminโny Faritra Atsinanana ny fanombohana ofisialy ny fitaterana fanafody aminโny alalanโny ยซ drรดne ยป izay fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana sy ny Mpiara-miombon’antoka USAID/IMPACT.
Teo ihany koa ny fanatanterahana ny fankalazana ny andro manerantany ho fampahafantarana ny โtrisomie 21โ izay notanterahina ny alatsinainy 21 martsa lasa teo sy ny fitsaboana manatona vahoaka, nandraisana an-tanana maimaimpoana ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana ireo mpianatra eo anivonโny EPP Manarapenitra Anosiala, ary ireo mpitsabo avy ao aminโny Hopitaly be Anosiala no nifanome tร nana taminโizany.
Mikasika ny ady aminโny tazomoka dia notontosaina taminโiny herinandro lasa iny Tany Mananjary sy Vohipeno ny famindram-pitantanana ny tetikasa TIPTOP avy aminโny Mpiara-miombonโantoka JHPIEGO ho anโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka.
Raha mikasika ity herinandro vaovao ity indray no hojerena dia mitohy ny fanentanana ho aminโny fanaovam-baksiny fanefitry ny covid-19 ho anโny faritra rehetra manerana ny Nosy. Nanamafy izany ny Tale Jeneraly misahana ny Fisorohana ara-pahasalamana, izay nisolo tena anโAndriamatoa Ministra, ary nanentana ny rehetra hampahatsiahy sy hitaona ny manodidina hiroso aminโizany fanaovam-baksiny izany.
Mikasika ny fampitaovana sy ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana dia hotanterahina any Antsiranana ny Alakamisy 31 martsa 2022 ho avy izao ny fanolorana fitaovana sy kojakoka medikaly ireo Tobimpahasalamana ao aminโny Faritra DIANA sy SAVA izay iarahana amin’ny Mpiara-miombon’antoka USAID ACCESS.
Ankoatra ny fitsaboana, manana adidy hafa ho anโny Tanindrazana ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ny fambolen-kazo iraisana izay ho tanterahana any Manakavaly ny Alakamisy 31 martsa 2022.
Mirary herinandro finaritra ho antsika rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
: SCM/DIRCOM-MSANP