๐๐๐ข๐กโ๐ก๐ฌ ๐๐๐ก๐๐ก๐๐๐ก๐๐ก-๐ง๐ฆ๐๐๐ก๐
๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ต๐ถ๐ฑ๐ฎ๐ต๐, ๐๐น๐ฎ๐๐๐ถ๐ป๐ฎ๐ถ๐ป๐ ๐ฎ๐ญ ๐บ๐ฎ๐ฟ๐๐๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฎ –
Miditra aminโny famitana sy fanatrarana ny tanjona ankehitriny ny Fitondram-panjakana, hampihatra izany avokoa ireo Andrim-panjakana sy ny Ministera rehetra mba tsy hisy na dia iray aza Distrika adino ao anatinโireo velirano 13 izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.
Vaovao lehibe nisongadina taminโiny herinandro iny ny fanavaozana ny mpikambana teo anivonโny Governemanta. Voatendry hanohy ny fitantanana ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka ny Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ary androany no niarahabana sy nirariana soa azy.
Naneho fahavononana hatrany ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra hanohy ny asa efa natomboka sy nikelezana aina ho fanatanterahana ny Velirano fahadimy, ยซย Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona.ย ยป
Anisan’ny nanamarika iny herinandro lasa iny ihany koa ny fitokanana ny CSB II manarapenitra ao aminโny Kaominina Ambanivohitra Betampona, Distrikanโi Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo; izay teo ambany fitarihan’ny Filohanโny Repoblika, Andry RAJOELINA.
Nambaran’ Andriamatoa Minisitra nandritra ity fananganan-tsaina androany ity fa mandritra ny enim-bolana (6) manaraka dia hamafisina ny fametrahana ny โโNormes et Standards de serviceโโ manerana ireo birao sy toeram-piasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manerana an’i Madagasikara, ary apetraka ho fitaratra aminโizany ny Ministera foibe.
Nanentana ny rehetra hanohy hatrany ny fanajana ireo fepetra sakana Andriamatoa Minisitra na dia efa hita taratra aza ny fihenanโny antotanisa isan-kerinandro mikasika ny trangan’ aretina covid-19.
Fanampiny, eo amin’ny lafiny fanatanjahantena dia voahosotra ho Tompondakan’i Madagasikara taranja ยซย CROSS-COUNTRYย ยป izay natao tany Manakara ny 12 martsa 2022 lasa teo i RALISY Nirina Marth avy amin’ny Klioba 3FB. Nampahafantarina androany ity Atleta sangany izay nitondra avo ny fanevan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ity.
Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP
+2