๐๐๐ง๐ข๐๐๐ก๐๐ก๐ ๐ก๐ฌ ๐๐ฆ๐๐๐ ๐ ๐๐ก๐๐ฅ๐-๐ฃ๐๐ก๐๐ง๐ฅ๐ ๐ง๐๐ข ๐๐ ๐๐กโ๐ก๐ฌ ๐๐๐ข๐ ๐๐ก๐๐ก๐ ๐๐ ๐๐๐ก๐๐ฉ๐ข๐๐๐ง๐ฅโ๐ ๐๐๐ง๐๐ ๐ฃ๐ข๐ก๐ โ ๐๐๐ฆ๐ง๐ฅ๐๐๐๐กโ๐ ๐๐๐ก๐ข๐๐ฅ๐๐ฉ๐ข ๐๐ง๐ฆ๐๐ก๐๐ก๐๐ก๐
par | 19 Mar 2022 | Evรจnements, Nos rรฉalisations, Projets constructions |

Afa-pahasahiranana aminโny lafiny fitsaboana ny kaominina Ambanivohitrโi Betampona distrikanโi Fenoarivo Atsinanana manomboka izao. Nahazo CSB II Manara-penitra ity kaominina ambanivohitra ity, raha toa ka tsy nisy toeram-pitsaboana sy mpitsabo mihitsy teo aloha.

Ahitana ny fitsaboana ny aretina rehetra aminโny ankapobeny eto aminโity tobim-pitsaboana ity, misy ยซ maternitรฉ ยป ary manana ny vata fampangatsiahana fitehirizana vaksiny mandeha aminโny herinโny masoandro. Manamafy ny vinanโny Fitondram-panjakana ny hitondra fitsaboana manakaiky vahoaka izany satria Betampona dia tanร na mitoka-monina sy miorina an-tampon-kavoana.

ยซ Tsy mijanona aminโny fitsidihina ny renivohitry ny distrika fotsiny fa midina hatrany aminโny kaominina ambanivohitra mihaino ny hetahetanโny vahoaka ny Fitondram-panjakana ยป hoy ny Filoha Andry RAJOELINA raha nitokana izany fotodrafitrasa izany androany 18 martsa 2022.