๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐๐ก๐ ๐๐ ๐๐ ๐ฆ๐๐ก๐ง๐ ๐ง๐๐ข ๐ ๐๐ก๐๐๐๐ฅA
โญ Rehefa avy nandalo tao Ambositra sy Kianjavato, dia i Manakara indray no nampiantrano ny ยซ Caravane de la santรฉ ยป ๐๐๐ androany alahady 06 martsa 2022.
โญ Hetsika sosialy ho ala sahirana ho anโny vahoaka, indrindra ny vehivavy sy ny zaza, aminโizao ankatoky ny 8 martsa, Andro iraisam-pirenena ho anโny Vehivavy izao.
Tolo-kevitra avy amin-dRamatoa Mialy RAJOELINA, Vadinโny Filoham-pirenena, sady Filohanโny Association Fitia, ny ยซ Caravane de la santรฉ ยป, ary fiaraha-miasa eo aminโny Association Fitia sy ny Fiadidiana ny Repoblika aminโny alalanโny DASP, ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeranโny Mponina ary ireo mpiara-miombonantoka isan-tsokajiny no nahafahana nanatanteraka azy.
โญ Tonga nitsidika sy nijery ifotony ny fisitrahanโny vahoakanโi Manakara ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana marobe nentinโny ยซ Caravane de la santรฉ ยป ho azy ireo, Ramatoa Mialy RAJOELINA, nandritra ny fandalovany tao an-drenivohitry ny Faritra Fitovinany androany, raha nanamarika ny Androโny Vehivavy niaraka taminโireo fikambanam-behivavy tao an-toerana ny tenany. Nanotrona azy taminโizao fandalovany izao ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Arivelo Randriamanantany.
โญ Vory lanona sy nankasitraka ny tsy naha-lavi-tany azy ireo kosa ny vahoaka, afa-pahasahiranana satria nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny tsirairay.
โญ Hihazo anโAntsirabe indray ny ยซ Caravane de la santรฉ ยป, ka hamarana ny dia ao Antsirabe, ny andronโny 08 Martsa, ho fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho anโny Vehivavy.
๐ธ: SCM/DIRCOM-MSANP