๐—–๐—”๐—ฅ๐—”๐—ฉ๐—”๐—ก๐—˜ ๐——๐—˜ ๐—Ÿ๐—” ๐—ฆ๐—”๐—ก๐—ง๐—˜ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฎ

 

โญ• Niainga androany maraina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ary nihazo avy hatrany ny faritra Amoron’i Mania ny ยซย CARAVANE DE LA SANTEย ยป ๐Ÿš‘๐Ÿš‘๐Ÿš‘ izay karakarain’ny Association Fitia Officiel sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Mponina Madagasikara, ary ireo Mpiara-miombon’antoka maro

 

โญ• Fitsaboana manakaiky vahoaka izay eo ambany Fitarihan-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filohan’ny Repoblika, ary tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny 08 Martsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy.

 

โญ• Maimaimpoana avokoa ireo tolotra ara-pahasalamana hita mandritra izao ยซย CARAVANE DE LA SANTEย ยป izao.

 

โญ• Ankoatra ny faritra Amoron’i Mania dia hisitraka ny hetsika ihany koa ny Faritra Vatovavy, sy ny Faritra Fitovinany.

 

๐Ÿ—“๏ธ Mandritra ny herinandro no hanatanterahana azy ary ao Manakara no ivon’ny fankalazana ny faha 08 Martsa 2022 ho avy izao.

 

๐ŸŽฏ Hiompana bebe kokoร  amin’ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ity andiany 2022 ity.

 

๐Ÿ™ Nanome voninahitra ny fanombohana ny hetsika androany Ramatoa Mialy RAJOELINA, Vadin’ny Filohan’ny Repoblika sady Filohan’ny Fikambanana FITIA. Nanotrona azy tamin’izany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY sy ireo Mpiara-miombonantoka maro.

 

๐Ÿ“ธ: SCM/DIRCOM-MSANP