Ankalazaina isaky ny alatsinainy faharoa ao anatinโny volana febroary ny andro iraisam-pirenena ho anโny Androbe.
Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia : โ Ndao hiara-hientana hiady aminโny androbe: fepetra takiana ho fanatsaranโny fahasalamanโny vahoakaโ.
Ny Androbe dia aretinโny atidoha , miseho aminโny alalanโny fanintona miverimberina. Misy karazany maro ny fisehony.
Mety mahazo ny olona rehetra izy. Tsy mamindra ny androbe, tsy manaranaka ary azo tsaboina tsara.
Olona miisa 21 ao anatinโny 1000 no voanโity aretina ity izany hoe eo ho eo aminโny roa (2) isan-jatonโny mponina eo eto Madagasikara.
Koa manentana antsika tsirairay avy hanana herimpo sy fitiavana ombana ezaka ary finiavana ho aminโny fanentanana ny fisorohana ny androbe.
Manentana ny fiaraha-misalahintsika eo aminโny fiatrehana sy fandraisana an-tanana ireo olona tratranโny aretina androbe ary hanohitra ny fanilikilihana aminโny endriny rehetra atao aminโny olona voanโny androbe.
Fampitam-baovao: Dlmnt