๐๐๐ฌ ๐๐ ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐ข๐ฉ๐๐-๐ญ๐ต: ๐๐๐ก๐ข๐๐ข๐ฅ๐๐ก๐ ยซย ๐๐ฃ๐ย ยป ๐ฆ๐ฌ ๐๐ข๐๐๐๐ข๐๐ ๐๐ข ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐๐๐ข๐ฅ๐๐ง๐ข๐๐ฅ๐ ๐๐ฉ๐ฌ ๐๐ ๐๐ก’๐ก๐ฌ ยซย ๐๐ข๐ก๐๐๐ง๐๐ข๐ก ๐ ๐๐ฅ๐๐๐จ๐ซ
๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ต๐ถ๐ฑ๐ฎ๐ต๐, ๐ฌ๐ฐ ๐ณ๐ฒ๐ฏ๐ฟ๐ผ๐ฎ๐ฟ๐ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฎ – Mpiantsehatra voalohany amin’ny ady amin’ny covid-19 ny mpiasan’ny Fahasalamana ary mifanerasera mivantana amin’ny marary isanandro.
Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fiarovana azy ireo manoloana ny valanaretina covid-19.
Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana izany. Manao tohi-vakana ireo Mpiara-miombon’antoka, maneho firaisankina manome tanana ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny valanaretina covid-19 izay mbola hita soritra eto amintsika.
Tontosa androany maraina, teto amin’ny Foiben’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana fiarovana (E.P.I) sy fitaovana ho an’ny laboratoara izay natolotry ny Fondation Mรฉrieux ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
ยซย Tonga amin’ny fotoana izay ilร na azy tokoa ireto fitaovana ireto ary hosinjaraina eny anivonโireo hopitaly maro manerana ny faritra araka ny filany avyย ยป araka ny nambaran’ny Dr YASMINE Lethicia Lydia, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nisolo-tena an’ Andriamatoa Minisitra nandray ireo fitaovana ireo.
Misaotra ny ยซย FONDATION MERIEUXย ยป amin’ny tantsoroka ary mankahery hatrany ny mpiasan’ny Fahasalamana rehetra tsy ankanavaka amin’ny adidy izay sahaniny.
๐๐๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ฎ-๐บ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฒ๐๐ ๐ป๐ ๐๐ผ๐๐ถ๐ฑ-๐ญ๐ต
๐๐ฟ๐ผ๐๐ ๐ป๐ ๐๐ฒ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ๐ผ
๐๐ฟ๐ผ๐๐ ๐ธ๐ผ๐ฎ ๐ป๐ ๐ต๐ฎ๐ณ๐ฎ
๐ฆ๐๐ /๐๐๐ฅ๐๐ข๐ -๐ ๐ฆ๐๐ก๐ฃ