Manoloana ny voina nitranga teto amin’ny faritra Analamanga, noho ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana, dia tsy mitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa nametraka ireo mpitsabo na mpizaha fahasalamana maimaimpoana isaky ny toby fandraisana tra-boina.
Vaindohan-draharaha ihany koa anefa ny misoroka sy manentana mba tsy hiparitahan’ny tsimokaretina Covid-19 eny amin’ireny toerana ireny. Noho izany dia tonga nizara arovava orona ho an’ireo vahoaka isaky ny toby fandraisana tra-boina ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ka tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina sy teny amin’ny Complexe Ampefiloha no nanombohana izany androany.
Efa mivonona ihany koa amin’ny fepetra fandraisana an-tanana sy ny fanafody samihafa, anisan’izany ny CVO+ raha sanatria ka ahitana tranga eny amin’ireny toby ireny.
Manentana hatrany ny vahoaka hanaja ny fahadiovana sy ireo fepetra sakana rehetra ho fiarovana ny fihanahan’ny valanaretina.
#aleo_misoroka_toy_izay_mitsabo
#fahasalamana_ho_an_ny_daholobe
#tsy_anavahana_sokajin_taona
SCM/DIRCOM-MSANP