Ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia tsy mitsahatra manao ny ezaka rehetra mba hiadiana aminโity valanaretina Covid-19 ity, sy hiarovana ny ainโny vahoaka manoloana izany.
Ho fisorohana sy ho fiarovana, dia isanโny paikady napetraka ny fampanajana sy fampiharana ireo fepetra sakana rehetra, toy ny fanaovana arovava orona, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony na ny gel dรฉsinfectant.
Eo koa ny fampiakarana ny hery fiarovana, ka iray fomba ahafahana manao izany ny fampiasana ny voka-pikarohana nataonโny mpikaroka Malagasy ka nahitana ny CVO.
Fomba iray ahafahana manamafy ny hery fiarovana koa ny fanaovana vaksiny.
Noho izany, ankoatra ny fitsaboana ny marary, dia imasoanโny fitondram-panjakana indrindra koa ny fisorohana, mba hiarovana ny ainโny vahoaka tsy ankanavaka, araka ny Velirano fahadimy, dia ny ยซ Fahasalamana ho anโny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona ยป.
Misy hatrany anefa ny lamina apetraka manoloana ny fanatanterahana ireo paikady rehetra ampiharina, mba hahafahana manatratra ny tanjona napetraka. Voakasika manokana amin’izany ny fisitrahana ny vaksiny.
Raha ho an’i Madagasikara dia misy karazany efatra ireo vaksiny izay afaka sitrahan’ny vahoaka ankalalahana, isan’izany ny vaksiny ยซย ๐๐ฌ๐ญ๐ซ๐๐ณ๐๐ง๐๐๐ย ยป izay tonga voalohany ka hatao amin’ny fatra indroa miantoana izay mifanelanelana valo ka hatramin’ny roambinifolo herinandro. Ny karazam-baksiny faharoa afaka sitrahan’ny Malagasy ihany koa ny ยซย ย ยป๐a๐ง๐ฌ๐ฌ๐๐งย ยป izay hatao amin’ny fatra tokana ihany. Ny ยซย ๐๐ข๐ง๐จ๐ฉ๐ก๐๐ซ๐ฆย ยป no karazam-baksiny faha telo izay hatao amin’ny fatra roa ka mifanelanelana telo ka hatramin’ny efatra herinandro ary natokana ho an’ny olona 18 taona ka hatramin’ny 59 taona raha toa ka manomboka ho an’ny feno 18 taona no miakatra kosa ny an’ireo karazam-baksiny telo hafa. Ny vaksiny ยซย ๐๐๐ข๐ณ๐๐ซย ยป kosa no karazam-baksiny azontsika teto Madagasikara farany, izay hatao amin’ny fatra roa ary mifanelanelana telo ka hatramin’ny efatra herinandro.
Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia manamafy hatrany fa mifameno ireo paikady rehetra noentin’ny fitondram-panjakana hiarovana ny vahoaka amin’izao valanaretina Covid-19 izao
Fanadihadiana: SCM/DIRCOM/MSANP niaraha tamin’ny Lehiben’ny Fitaleavana misahana ny Vaksiny eto Madagasikara, Dr RAKOTONAVALONA Rivomalala