Araky ny tantara dia taminโny taona 1936 no niorenanโny Hopitaly be Toliara, ka ny vanim-potoana nifandimby no namaritra ny anarany. ยซ Hรดpital militaire ยป tany am-boalohany, niova ho ยซ Hopital principal ยป, ยซ Centre Hospitalier de Rรฉfรฉrence Provincial ยป, ยซ Centre Hospitalier de Rรฉfรฉrence Rรฉgional ยป ary ยซ Centre Hospitalier Universitaire ยป nanomboka ny taona 2014.
Ny fandraisana an-tanana ireo aretina ilana fandidiana no tena mampalaza ny CHU Antanambao ary afaka mandray marary manodidina ny 230 ny Hopitaly izay mitsinjara aminโny sampandraharaha maro toy ny:
– A.T.U (Fandraisana an-tanana ny Vonjy Aina)
– REANIMATION
– CHIRURGIE GENERALE
– CHIRURGIE VISCERALE
– STOMATOLOGIE
– OPHTALMOLOGIE-ORL
– NEUROLOGIE
– PSYCHIATRIE
– PHARMACIE
– LABORATOIRE
– IMAGERIE MEDICALE
– ENDOSCOPIE
– ONCOLOGIE ET MEDECINE POLYVALENTE
– PHTISIOLOGIE
– MATERNITE
– PEDIATRIE
– SERVICE DโAPPAREILLAGE ET REEDUCATION FONCTIONNELLE
Ho fampiharana izay voafaritry ny politika ankapobenโny Minisiteranโny Fahasalamana dia misy ny fametrahana ilay atao hoe: ยซ pool de compรฉtence ยป izay mandalo dingana maro kanefa mitondra tombotsoa betsaka eo anivonโny Hรดpitaly satria mampifanampy sy mampifameno ny fisahanana ny mahaolona sy ny fampitaovana ary ny foto-drafitrasa. Marihana fa miorina ao aminโny Faritry ny Hopitaly ihany koa ny โEcole de Facultรฉ de Mรฉdecineโ Toliara.
Vokatry ny fiaraha-miasa aminโny mpiara-miombonantoka dia nasiana fanatsarana ny anatinโny toerana misy ny hรดpitaly izay natao tara (goudron) ary ho fampitomboana ny fahafaha-mandray marary dia efa eo an-dalam-panamboarana aminโizao ny trano vaovaonโ ny sampan-draharaha misahana ny ยซ Vonjy Aina ยป.
Mikasika izay ยซ Vonjy Aina ยป izay indrindra dia efa nihatra teo anivonโny Hรดpitaly nanomboka ny faha 16 oktobra 2021 lasa teo ihany koa ny fampiharana ny ยซ fonds dโurgence sanitaire ยป aminโny alalanโny fanomezana fitsaboana sy fanafody maimaimpoana ireo marary mila ยซ premiers soins dโurgence ยป. Izany dia fanatanterahana ihany koa ny Velirano fahadiminโny Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA, ยซ Fahasalamana ho anโny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ยป araka ny toromarika avy aminโny Ministera foibe.
Araka izany dia azo lazaina fa isanโireo Tobimpahasalamana mahafeno sy an-dalam-panatanterahana ny fenitra takianโny vanim-potoana ankehitriny ny CHU Antanambao, koa entanina isika vahoaka ao Toliara sy ny manodidina ho tonga hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana ao an-toerana. Misokatra 24/24 ora, 7/7 andro ny Hopitaly ary vonona ny handray antsika mandrakariva ny Mpiasanโny Fahasalamana.
Ankasitrahana ianao namaky hatraminโny farany, mbola Tobimpahasalamana ao aminโny Faritra Atsimo Andrefana ihany no hampahafantarina antsika aminโny ranty manaraka.
——————-
Soร va, tsarร Tompoko!
——————-
Pejy facebook CHU Antanambao Toliara: https://web.facebook.com/CHU-Antanambao-Toliara-103362681234715
Angom-baovao: SCM/DIRCOM-MSANP