๐๐ป๐ผ๐๐, ๐ฌ๐ด ๐ฑ๐ฒ๐๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ญ I Iray aminโireo firenena 4 aty aminโny faritra atsimonโi Afrika izay nanatanterahana ny Tetikโasa TIP TOP i Madagasikara. Ny Tetikโasa TIPTOP izay nitondra paikโady vaovao niarovana ireo Reny mitondra vohoka aminโny Tazomoka, aminโny fanomezana azy ireo fanafody fantatra aminโny anarana hoe โSPโ. Ireo mpanentana ara-pahasalamana no miandraikitra ny fizarana io fanafody io.
Raha tsiahivina dia isanโireo aretina voalohany hanatonanโny olona ny Tobimpahasalamana fototra eto amintsika ny aretina tazomoka. Ny tazomoka ihany koa no laharana voalohany aminโireo aretina miteraka fahafatesana eny anivonโny Hopitalim-panjakana ary ireo zaza latsaky ny 5 taona sy ireo Reny mitondra vohoka no tena lasibatra.
Manoloana izany indrindra dia tsy mitsaha-mikaro-bahaolana ny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombonโantoka aminy JHPIEGO ka nanokana andro iray nifampizarana vokatra sy traikefa taorianโny fandalinana sy fanaovana tombanโezaka ny Tetikโasa TIP TOP.
Tanjona manerantany ny hanafoana ny aretina tazomoka hatraminโny taona 2030, manampahaizana maro no mikaon-doha hanatrarana izany. Raha ho antsika eto Madagasikara manokana dia isanโireo teboka lehibe ao anatinโny Velirano fahadimy ary laharaham-pahamehanโny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fanatsarana ny fahasalamanโny reny sy ny zaza ary mifanindran-dalana aminโizany izao Tetikโasa TIP TOP izay iarahana aminโny Mpiara-miombonโantoka JHPIEGO izao.
Tafaray izany ny tia sy ny manina ka dia inoana tanteraka fa hisy akony tsara lehibe aminโny fahasalamam-bahoaka ny vokatrโizao fifampizarana notontosaina androany izao.
Tonga nanokatra taminโny fomba ofisialy ity fihaonana ity, ny Dr Adolphe RAKOTONANDRASANA, Sekretera Jeneralinโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka izay nisolo-tena anโ Andriamatoa Minisitra Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY. Nanotrona azy taminโizany ireo Tomponandraikitra ara-pahasalamana eny anivonโny faritra sy distrika izay mbola ahitana trangana tazomoka maro eto amintsika, sy ny solotenanโireo mpiara-miombonโantoka samihafa izay misehatra aminโny ady aminโny tazomoka eto Madagasikara.
ย
SCM/DIRCOM-MSANP