๐๐ป๐ฎ๐น๐ฎ๐ธ๐ฒ๐น๐, ๐ฌ๐ญ ๐ฑ๐ฒ๐๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ญ |
Toy ireo firenena maro manerantany dia anisan’ny nanamarika izany koa isika eto Madagasikara tetsy amin’ny ยซย PARVIS HOTEL DE VILLEย ยป Analakely androany.
Hetsika izay nokarakarainโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka, ary nandraisanโireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa anjara izay nahitana fanentanana sy fampahafantarana ny ady aminโny VIH/SIDA.
Tonga nanome voninahitra ny hetsika, ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay nisolotena an’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana sy ny fandraisana an-tanana ireo izay voatily fa mitondra ny tsimokaretina, ary ny fampirantiana ireo fanafody sy fomba fiaro aminโny tsimokaretina VIH/SIDA.
Mikasika izay fitiliana izay manokana, dia tsikaritra fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA tao anatin’ny telo taona farany, 1779 (2019), 2200 (2020) ary nahatratra 1043 ho an’ny telo volana voalohan’ny taona 2021.
Ny 21,74% ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH ireo ihany anefa no mahalala fa mitondra ny tsimokaretina ny tenany, raha ny valin’ny fanadihadiana natao ny taona 2020. Izay efa mihatsara ihany raha oharina ny tamin’ny taona 2016 (7,2 %). Marihana moa fa manodidina ny 500.000 isan-taona ny isan’ireo olona nanaovana fitiliana eto amintsika.
Ny ady amin’ny aretina mifindra dia paik’ady iray enti-manatanteraka ny Velirano Fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ยซย Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaย ยป, isan’izany ny ady amin’ny aretina SIDA izay mety hahazo ny sokajin-taona rehetra.
Maro ireo ezaka efa natomboka, maro ihany koa anefa ireo mbola tokony ho atao.
ยซย ๐๐ป๐ฑ๐ฎ๐ผ ๐ต๐ผ๐ณ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐๐ ๐ณ๐ถ๐๐ผ๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฎ๐ผ ๐ต๐ผ๐ณ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ฆ๐๐๐, ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฎ๐ผ ๐ต๐ผ๐ณ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐๐ถ๐ป๐ฎย ยป no lohahevitra nosafidiana ho an’ity taona 2021 ity, koa ยซย alao heryย ยป ary Tompokolahy sy Tompokovavy.
SCM/DIRCOM-MSANP