14 km miala ny Kaomina Ambanivohitra Sabotsy Anjiro ao aminโny distrikanโ i Moramanga no misy ny Fokontany Ambohimandroso, toerana nananganana ny CSB II Manarapenitra Ambohimandroso.
Mizotra tsara ny fanorenana, tombanana ho 80% ny fahavitanโny asa.
Nidina ifotony nanaramaso ny asa tany an-toerana ny Delegasiona avy aminโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka izay notarihanโ ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, Sekretera Jeneraly. Nanotrona azy nandritra izany ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro izay notarihan’ Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fahasalamana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Tsapa ary azo tsapain-tanana araka izao ny fiarahamiasa mahomby eo amin’ny fahefana mpanaramaso sy ny fahefana mpanatanteraka. Tombotsoa ho an’ny vahoaka tokoa no katsahina ka samy hentitra ny roa tonta mikasika ny kalitaon’ny asa fananganana.
Maherinโny 10.000 eo ireo vahoaka hisitraka tombotsoa mivantana aorianโny fahavitanโity Foto-drafitrโasa ara-pahasalamana manarapenitra ity.
Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanatanterahana ny Velirano Fahadiminโny Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA, โFahasalamana ho anโny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaโ izay iandraiketanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP