Antoka ahafahana mamerina indray aminโny laoniny ny hari-karena ny fisokafana aminโny firenen-kafa, antoka ifaharanโny fampandrosoana ihany koa anefa ny fahasalamana. Izany no antony nahatonga ny Fitondram-panjakana hanokatra ny sisin-taninโi Madagasikara ka nametraka sy manamafy ireo fepetra fiarovana rehetra mba hahafahanโny vahoaka Malagasy miatrika ny asa andavanandrony ao anaty fahasalamana feno.
Ho fiatrehana izay fisokafanโny sisitany izay dia nohamafisina ny fiarovana, hisorohana ny fiparitahanโny Covid-19 sy ireo karazana ยซ variants ยป eny aminโireo seranam-piaramanidina be olona mifamezivezy eto Madagasikara dia ny eny Ivato, ny any Nosy Be ary ny any Toamasina.
Fitaovana informatika sy kojakoja ilaina aminโny fanarahamaso ny mpandeha no natolotry ny Governemanta Japoney taminโny alalanโny OIM na ny ยซ Organisation Internationale pour les Migrations ยป, androany teny aminโny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato.
Fitaovana izay hampiasainโireo mpisehatra misahana ny fanarahamaso ny fahasalamana araka izany ireto fitaovana vaovao sy raitra ireto, isanโizany ny ยซ Direction Gรฉnรฉrale des Douanes ยป, ny ยซ Police de lโAir et des Frontiรจres ยป ary ny ยซ Direction de la Veille Sanitaire et de la Surveillance Epidรฉmiologique et Riposte ยป.
Io maraina io dia nisy ny fifanaovan-tsonia teo aminโny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Tale Jeneralinโny habantseranana ho mariky ny fandraisana aminโny fomba ofisialy ireo fitaovana fanarahamaso ireo.
Mitohy hatrany ny ezaka ataonโny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโny fiarovana ny vahoaka manoloana ny valanaretina.
SCM/DIRCOM/MSANP