๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ต๐ถ๐ฑ๐ฎ๐ต๐, ๐ฎ๐ต ๐ผ๐ธ๐๐ผ๐ฏ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ญ I
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ ny Ministeran’ ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miombonantonka aminy, ho fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara sy hanatrarana ny tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny : ยซ Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ยป.
Na dia hita aza fa miroso mankany aminโny fahombiazana ny fifehezana ny valanaretina covid-19 ankehitriny, dia tohizana hatrany ny fisorohana mba hialana aminโny mety ho firongatry ny valanaretina indray.
Mifandraika indrindra amin’izany, dia nisy ny fampitaovana mitentina 65 000โฌ ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka avy amin’ny ONG Doctors For Madagascar, ka isanโizany ny ยซ concentrateurs d’oxygรจne ยป, ยซ respirateurs ยป, sy fitaovana fiarovana ara-pahasalamana hampiasainโny mpiasanโny fahasalamana eny ifotony. Ny GIZ sy ny OMS kosa dia nanolotra fitaovana fiarovana toy ny arovava-orona miisa 924 000.
Ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy no hisitraka izao fampitaovana izao, ka isanโizany ny CHU sivy eto Antananarivo sy any aminโny faritra : HJRA Sampana Vonjy Aina ; HJRB ; Andohatapenaka ; Anosiala ; Mahavoky Atsimo Mahajanga ; Place Kabary Antsiranana ; Tanambao Toliara ; Analakininina Toamasina ; Andrainjato Fianarantsoa. Tafiditra anatinโny hisitraka ireto fitaovana ireto koa ny CHRR miisa 10 : Antsirabe ; Ambovombe ; Sambava ; Antsohihy ; Maevatanana ; Itasy ; Bongolava ; Ambositra ; Ihosy ary Manakara.
SCM/DIRCOM-MSANP