๐๐๐จ๐๐ฅ๐ ๐๐บ๐ฝ๐ฒ๐ณ๐ถ๐น๐ผ๐ต๐ฎ I
Nankalaza ny โAndro manerantany iadiana aminโny fanaintainanaโ, andiany faha-13 isika eto Madagasikara omaly Alatsinainy 18 oktรดbra 2021 . Nomarihina taminโny tolotra maimaimpoana eo aminโny lafiny fizahana sy fitsaboana ary fizarana fanafody izany fankalazana izany, notanterahina tetsy aminโny ยซ Hall CHUJRA ยป.
Taminโizany no nahazoanโny daholobe nisitraka tolotra mikasika ny :
– fizaham-pahasalamana ankapobeny ;
– fitsaboana ny aretinโny vanin-taolana; ny aretinโny fo sy ny lalandrร ;
– fitsaboana ny zaza;
– fahasalamanโny saina,
– ady aminโny fanaintainana sy ny homamiadana ;
– tolotra mikasika ny fandidiana.
Ireo dia nialohavanโny fanokafana taminโny fomba รดfisialy tetsy aminโny efitra malalaky ny trano fandraisam-bahiny ยซ Carlton ยป Anosy, natrehanโny Tale Jeneraly misahana ny famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), Dr RAZAFIMAHATRATRA Rado, izay nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Nandritra izany no nanolorana azy ny ยซ Rรฉfรฉrentiel douleur ยป novolavolainโny ยซ Douleurs Sans Frontiรจre Madagascar ยป, notohananโireo mpiara-miasa avy aminโny INTERCLUD Analamanga sy ireo mpiara-miombonantoka ary mpanohana toy ny ยซ Fondation Mรฉrieux ยป sy ny AFD na ยซ Agence Franรงaise de Dรฉveloppement ยป.
Marihina fa hetsika sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana fanintelony izao notanterahana teto amintsika izao, ary fanao isaky ny alatsinainy fahatelo aminโny volana oktรดbra izany.
Nanamafy ny Pr RAKOTOARISON Nicole, filohanโny CLUD eo anivonโny CHUJRA sady mpandrindra ny INTERCLUD Analamanga, fa izao no tontosa, dia noho ilay atao hoe : ยซ Prise en charge Multimodale ยป na fizakร na marolafy vokatry ny fanohanana avy aminโireo ยซ Laboratoires Pharmaceutiques ยป izay manome ny fanafody maimaimpoana isan-taona hanatanterahana ny tolotra fizahana sy fitsaboana maimaimpoana.
Tanjona hotratrarina aorianโizao fankalazana izao ny hametrahana ny CLUD na ยซ Comitรฉ de LUtte contre les Douleurs ยป sy ny ยซ Rรฉfรฉrent douleurs ยป isaky ny Faritra aminโireo CHU rehetra manerana ny Nosy ka any aminโny faritra atsimonโi Madagasikara no ezahana hametrahana izany, raha efa ahitana izany kosa ny any aminโny faritra avaratra sy atsinanana ary ny eto afovoan-tany. Izany no atao dia mba hisianโny fifandraisana sy ny fifanakalozan-kevitra hatrany eo aminโny sehatry ny fitsaboana.
Miroso hatrany araka izany ny ezaka ataonโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka aminโny fanatanterahana ny ยซ Velirano fahadimy ยป miompana aminโny โFahasalamana ho anโny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaโ.
SCM/DIRCOM-MSANP