Ho famanafisana hatrany ny ady aminโny Covid-19, dia novatsiana fitaovana GENEXPERT ny Tobim-pahasalamana miankina aminโny Fanjakana, sy toeram-pitiliana miisa 50 eto Madagasikara, indrindra ireo eny anivonโny Faritra.
Ny 30 aminโireo fitaovana vaovao ireo no efa tonga eny ifotony, ka isanโizany ny
– CHU Tambohobe Fianarantsoa
– Hopitaly Manarapenitra Toliara
– CHR Tolagnaro
– CHD Morondava
– Hopitaly Manarapenitra Mahajanga
– CHRR Antsohihy
– CHRR Maevatanana
– CHU Tanambao Atsiranana
– CHRR Ambatondrazaka
– CHD Moramanga
– CHRR Fรฉnรฉrive Est
– CHD Sainte Marie
– CHR Manakara
– Laboratoire CHRR Ihosy
– Laboratoire CHRD Maintirano
– CHRR Miarinarivo
– CHRR Antsirabe
– CHRR Farafangana
– CHRR Ambovombe Androy
– CHRR Bongolava
– DAT Hopitalikely Toamasina
– CHRR Ambositra
– CHRR Sambava
Ezaka lehibe ataonโny Fitondram-panjakana, aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka, ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana miankina aminโny Fanjakana, ho fanamafisana ny rafitra misahana ny Fahasalamana, sy iadiana aminโny aminโny valanaretina Covid-19. Ezaka tafiditra anatinโny fanatanterahana ny Velirano Fahadimy nataonโny Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA : โ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ, ๐๐๐ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐ท๐ถ๐ป-๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎโ.
Nifanome tanana taminโny fitondram-panjakana ka nahazoana izao fitaovam-pitiliana vaovao izao ny Banky Iraisam-pirenena.
Maro ny aretina afaka tiliana aminโny alalanโireto fitaovana GENEXPERT vaovao ireto, ankoatra ny COVID-19. Ny mponina misitraka ny tolotra ara-pahasalamana eny anivonโny faritra no hahazo tombony voalohany aminโny fananana ireo fitaovana ireo, satria ho vita eny ifotony ihany ny fitiliana, ka tsy handeha lavitra intsony izy ireo.
โ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ, ๐๐๐ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐ท๐ถ๐ป-๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎโ.