Vahoaka maro no tonga namaly ny antso nandritra ny andro voalohany omaly 19 oktobra 2021, nahitร na tolotra ara-pahasalamana maro karazana sy maimaimpoana, ary fampisehoana ireo fomba fiasa eo anivonโny Hรดpitaly.
Tonga nanokatra ny fotoana taminโny fomba รดfisialy teny an-toerana ny Tale Jeneraly misahana ny famatsiana ara-pahasalamana, ny Dr RAZAFIMAHATRATRA Rado, izay nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, notroninโireo Tale Mpitantana sy mpiara-miasa rehetra eo anivonโny Hรดpitaly.
Miditra aminโny andro faharoa sady farany ny hetsika anio, ka hampiavaka izany ny fisianโny tolotra mikasika ny fiomanana aminโny fiterahana na ยซ prรฉparation ร lโaccouchement ยป.
Fitsaboana manakaiky vahoaka, azo tsapain-tanana tahaka ny hetsika toy izao, no ezaka ataonโny Fitondram-panjakana, aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka, sy ireo mpiaramiombonantoka aminy, aminโny fanatanterahana ny Velirano fahadimy dia ny hanomezana fahasalamana ho anโny rehetra, ary tsy anavahana sokajin-taona, araka ny toromarika avy aminโny Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA.
SCM/DIRCOM-MSANP