Manome fahazotoana ny mpiasanโny Fahasalamana, sy filaminan-tsaina ho anโny marary ny fisianโny Toeram-pitsaboana madio sy milamina. Ankoatra izay, dia fomba entina hikolokoloana ny foto-drafitrโasa iombonana sy hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ihany koa ny fomba fiasa ยซ 5S ยป.
Tontosa ny 19-20 oktobra 2021 ny ยซ supervision formative 5S ยป tany aminโny SDSP Anjozorobe izay notanterahinโny ekipa avy ao aminโny DGFS.
Nandritra izany dia nisy ny fihaonana taminโny CHRD Anjozorobe, CHRD Analaroa sy ireo CSB miisa 30 ao anatinโny distrikanโAnjozorobe, nijerena ireo dingana vita, ny olana sy ny vahaolana aminโny fampiharana ny fomba fiasa 5S, ary narahina fiofanana avy hatrany sy fitsidihana ny CHRD Anjozorobe sy ny CSB2 Anjozorobe, nijerena ireo fomba fanao ahitam-pahombiazana aminโny fampiharana ny fomba fiasa ยซ 5S ยป. Fanampinโizay, nisy ny fifampizarana traikefa teo aminโ ireo samy mpiofana hirosoana ho aminโny dingana tsaratsara kokoa hatrany. Marihana fa ny volana septambra lasa teo no nanatanterahana ny ยซ supervision formative 5s ยป ho anโny SDSP Ankazobe sy ny SDSP Manjakandriana.
Fampitam-baovao : DGFS