MAHAJANGA, ๐ญ๐ผ๐บ๐ฎ ๐ฎ๐ฎ ๐ผ๐ธ๐๐ผ๐ฏ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ญ I
Fararanon-danonana ny tao an-drenivohitry ny Faritra Boeny androany. Notanterahana teo anivonโny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana taminโity andro anio ity ny fankalazana ny iray volanโny Fahasalamanโny saina izay mitondra ny lohahevitra hoe : โ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ท๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ผโ sy ny Andro manerantany ho anโny fahitana araka ny lohahevitra hoe : โ๐ง๐ถ๐ฎ๐๐ผ ๐ป๐ ๐บ๐ฎ๐๐ผ๐ป๐ฎ๐ผโ.
Nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Talen’ny Kabinetra, ny Dr ANDRIAMANANTENA Onivelo Gabhy. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pankalazana ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, RAHANTANIRINA Lalao, sy ny Prรฉfet n’i Mahajanga, RAVELOMAHAY Lahiniaina Fitiavana.
Nanamafy Ramatoa Talen’ny Kabinetra nandritra ny lahateny nataony fa ยซย Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manatanteraka ny VELIRANO FAHADIMY izay nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ny vahoaka Malagasy izay ahitana tolotra ara-pahasalamana maro ary manao tohi-vakana ankehitrinyย ยป.
Vahoaka maro no tonga nisitraka ity hetsika fitsaboana MAIMAIMPOANA manakaiky vahoaka izay notanterahina androany ity izay nahitana fizaham-pahasalamana ankapobeny, fitiliana sy fizahana maso, fitiliana diabeta, fitiliana ny fahasalamanโny ativava ary fitiliana ny fahasalamanโny saina izay marihana fa maimaimpoana avokoa.
Ny Fiadidiana ny Repoblika aminโny alร lanโny DASP (Direction des Affaires Sociales et Pรดlitiques) sy ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiaramiombonantoka aminy rehetra no nifanohana sy nifanome tร nana taminโny fanatontosana ireo fankalazana roa sosona ireo.
๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐๐ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐ท๐ถ๐ป-๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ.
SCM/DIRCOM-MSANP