๐๐ฒ๐ณ๐ฒ๐น๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐๐น๐ฎ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ถ๐ฎ ๐ญ๐ฏ ๐ข๐ธ๐๐ผ๐ฏ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ญ ๐
Nivoaka androany ny andiany faha-16 taminโireo mpampivelona nanaraka fiofanana mahakasina ny ยซ รฉchographie communautaire, module obstรฉtricale ยป.
Mahatratara 26 ny isanโizy ireo, ary niofana nandritra ny iray volana. Nizara roa mazava tsara ny fampianarana narahanโ izy ireo. Ny lafiny teorika izay natrehanโizy ireo tao aminโny INSPC Befelatanana sy ny fampiharana izany teny aminโny CSB2 Ambohipo sy CSB2 Mahamasina.
Nitsodrano azy ireo hahaleo hahalasana aminโizay andraikitra ho sahaninโizy ireo, Ramatoa Tale Jeneralinโny INSPC, Dr RAVAOARISOA Lantonirina, ary nanafatra mba hampiharana ny fahalalana izay vao avy norantovina ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka, indrindra eo aminโny lafiny fandraisana an-tanana sy fanaraha-maso ny fahasalamanโny reny sy ny zaza.
SCM/DIRCOM-MSANP