🏥118 taona niasana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny CHU Analankininina Toamasina.
✅ Raha tsiahivina dia ny taona 1903 tokoa no taona niforonany. « Hopital militaire » no niatombohany ary efa imbetsaka no niova anarana ity farany nandritra izay fotoana nisiany izay. Anisan’ny anarana efa niantsoana azy ihany koa ny hoe : « Hopital Principal de Toamasina ».
✅ Nanomboka ny taona 2012 no nisalorany ny fiantsoana  » Centre Hospitalier Universitaire Analankininina Toamasina », fantatry ny maro an’isa amin’ny hoe  » Hopitaly Be Analankininina ».
✅ 30 ny isan’ireo sampandraharaha hita ao amin’ny CHU Analankininina Toamasina, tafiditra anatin’izany ireo « services techniques » sy « services administratifs », sombitsombiny amin’izany ireto manaraka ireto, izay ahitany ny « Service Pneumologie, Psychiatrie, Médecine interne, Oncologie, Pédiatrie, Maternité et néonatalogie, Accueil-Triage-Urgences (A.T.U), Chirurgie, Bloc opératoire, ORL, Ophtalmologie, Stomatologie, Néphrologie (Dialyse), Centre Régional de Transfusion sanguine, Pharmacie ».
✅ Ahitàna « Centre Vonjy » ihany koa ao amin’ ny CHU Analankininina izay mandray an-tanana ireo ankizy lahy na vavy izay niharan’ny herisetra ara-nofo.
✅ Anisan’ ireo Toeram-pitsaboana nandray an-tanana ireo mararin’ny covid-19 ihany koa ny CHU Analankininina. Araka ny lamina napetraka dia ireo tranga nisy fahasarotana na ireo marary naneho fahasemporana ka nilàna fampiasana « oxygène » no noraisina an-tanana tao an-toerana.
✅ Manana ny tantarany manokana ny CHU Analankininina, antony iray izay tena mampalaza azy any amin’ny Faritra Atsinanana, ho fanampin’ireo tolotra fahasalamana maro omen’izy ireo. Fa isan’ny tena mampiavaka azy ny fananana sampan-draharaha misahana manokana ny fandraisana ireo vehivavy manana aretina mamany lava. Ao ihany koa ny « service de rééducation » izay mampihatra fomba fanao vaovao amin’ireo zazakely izay manana « pied bot », dia ny « méthode Ponseti » izany.
✅ Mampihatra ny « recyclage des déchets » ihany koa ny Hopitaly ho fiarovana ny tontolo iainana.
✅ Maro ireo hetsika ara-pahasalamana izay karakarain’izy ireo any amin’ny Faritra Atsinanana hiaraha-misalahy amin’ireo Mpiara-miombon’antoka maro toy ny « Opération smile »: izay ahitàna ny « chirurgie réparatrice », ny « opération cataracte », ny fanamboarana sofina, ary izany rehetra izany dia azon’ny Mponina eny an-toerana sitrahana maimaimpoana avokoa.
✅👍Vina izay hifotoran’ny « Hopitaly Be Analankininina » ankehitriny ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ho fanatanterahana ny velirano fahadimy. Tafiditra amin’izany ny fampiharana ny « humanisation des soins » araka ny toromarika avy aty amin’ny Ministera foibe.
Pejy facebook ofisialy CHU Analankininina Toamasina: https://www.facebook.com/HOPITALYBE/
SCM/DIRCOM-MSANP