๐๐ฏ๐๐ง๐๐ซ๐ฒ, ๐๐ ๐จ๐ค๐ญ๐จ๐๐ซ๐ ๐๐๐๐ –
Tontosa io maraina io teny aminโny Masoivohonโi Japana eny Ivandry ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa mikasika ny Tetikasa fanitarana ny Sampandraharaha mandray an-tanana ny fahasalamanโny reny sy ny zaza ao aminโny CHU Place Kabary Antsiranana.
Mahatratra 77 283 Euros na Ar 334 000 000 ny sandanโizao asa fanitarana izao, izay ahafahana mampitombo ny toerana handraisana an-tanana ny fahasalamanโireo reny sy zaza tonga manatona ny hรดpitaly. Ahafahana manatsara ihany koa ny toerana handraisana ireo vehivavy bevohoka tonga hiteraka.
Tonga nanome voninahitra izao fifanaovan-tsonia izao andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo. Mitohy hatrany araka izany ny ezaka ataonโny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโny fanatanterahana ny velirano fahadimy. ยซ Fahasalamana ho anโny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ยป no tarigetra ary asa avy hatrany no tanterahina fa tsy kabary.
Isaorana ny Governemanta Japoney izay isanโireo Mpiaramiombonantoka akaiky aminโny Fanjakana Malagasy aminโny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP