Tontosa androany 24 septambra 2021 tolakandro ny famindram-pitantanana teo amin’ i Dr ANDRIAMANANTENA Onivelo Gabhy, Tale vaovaon’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy Prof RAKOTOMALALA Dave Patrick, Talen’ny Kabinetra teo aloha.

Nanome voninahitra ny famindram-pitantanana ny Ministry ny Fahasalamam-bohoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, notronin’ny Sekretera Jeneraly, ireo Tale Jeneraly sy Tale eto anivon’ny Ministera ary koa ireo solombavam-bahoakan’i Madagasikara izay notarihan’Andriamatoa Lehiben’ny Vaomieran’ny Fahasalamana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Mankasitraka ny asa vitan’ Andriamatoa Talen’ny Kabinetra teo aloha ary tonga soa ianao, Ramatoa Talen’ny Kabinetra vaovao, izay andriambavilanitra voalohany nitΓ na izany andraikitra ambony izany eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tsara marihina fa manana lanja sy toerana lehibe amin’ny asa politika sy ara-pitantanan’ny Ministera ny kabinetra. Araka izany, mirary soa anao hahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra vaovao ho sahaninao.

SCM/DirCom-MSANP