VOIN-KAVA MAHATRATRA
Nanoloana ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teny Ambodiafotsy, lalam-pirenena voalohany (RN1) dia nidina avy hatrany teny aminโny ยซย Service des URGENCES/ATU โ CHUJRAย ยป ny delegasiona avy aminโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka izay notarihanโ Andriamatoa Minisitra, nitondra ny teny fankaherezana ary nijery ny fandraisana an-tanana ireo olona niharamboina.
25 no isanโ ireo olona noentina tao aminโny ยซย URGENCES HJRAย ยป, ny 6 efa nalefa nody, ny ambiny mbola manaraka fitsaboana, nisy zaza iray namoy ny ainy teny aminโny toerana nisehoanโny loza.
ยซ Vao tonga teto aminโ izao Toeram-pitsaboana izao ireo marary ireo dia tonga dia noraisinโny Fitondram-panjakana an-tanana satria ny Hรดpitaly lehibe dia misy ny atao hoe ยซ fond dโรฉquitรฉ ยป izay ahafahana mijery ny olona sahirana sy ny sendranโny hamehana toy izao, zavatra efa mipetraka foana izy io fa tsy hoe aminโity ihany no misy anโizany ary ahafahana mamonjy ainโolonaโฆ ยป hoy Andriamatoa Minisitra ary ยซ iray vatsy iray aina ny Malagasy ary isaorana lehibe ny mpitsabo izay tsy mandry andro tsy mandry alina, aminโ izao Alahady hariva izao izy manao ny asany tanteraka ary maro izy ireto no ato aminโny ยซ Urgences ยป, isaorana aminโny fanatanterahany izany asany izany ary mamporisika azy hanohy izany satria tena mamonjy olona tokoa ny asany ao antinโ izany ยป hoy hatrany izy nanamafy.
Ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka dia mitondra ny teny fankaherezana ho anโireo rehetra niharam-boina, mirary fahasalamana haingana ho anโireo manaraka fitsaboana ary miondrika am-panajana manoloana ny namoy ny ainy.
SCM/DirCom-MSANP