.
Ny hetsika ยซ Caravane mรฉdicale ยป izay anisanโny paikโady hahatrarana ny Velirano faha-5 ny Filoham-pirenena, dia mitondra ny fitsaboana manakaiky vahoaka hiarahana aminโny DASP na Direction des Affaires Sociales et Politiques, ny Ministeranโny Fahasalamana miaraka aminโireo mpiaramombonantoka maro.
Fahombiazana no azo hamaritana iny hetsika andiany faha-3 iny satria dia mihoatra lavitra ny tanjona napetraka ireo vahoaka nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana izay nanomboka tao Moramanga ka nifarana tao Foulpointe.
Tolotra izay nahitana fizahana sy fitsaboana ary hisy koa ny fanaraha-maso eny anivonโireo CSB aorianโny fandalovanโny ekipa medikaly:
– Fahasalaman’ny saina
– Fahasalamana @ankapobeny
– Fanalร na sy fitsaboana nify
– Fahasalamana ara-pananahana, fandrindrana fiterahana
– Fanomezan-drร sy fijerena sokajin-dra
– รchographie
– Fitarafana radio
– Fitiliana diabeta,
– Fitiliana IST sy VIH
– Fitiliana sy fandraisana an-tร nana ny fahasembanana @molotra na ny lanilany
– Fahasalaman’ny maso,
– Fahasalamanโny sofina
– Fizarana insuline sy glucometre ho an’izay voan’ny diabeta.
Marihina fa maimaimpoana avokoa ireo tolotra rehetra.
Tsy tontosa izany raha tsy niara-nisalaha ny rehetra ary raha tsy teo ihany koa ny vahoaka izay nametraka ny fitokisany taminโny mpiasanโny fahasalamana sy ireo mpiaramombonantoka.
Koa eto dia hisaorana ireo rehetra nahatoto nahandro nahamasaka iny hetsika goavana nisy fihatraikany amin โny fahasalamam-bahoaka iny.
Eo ny Mpiasanโny fahasalamana izay nanolo-tena, eo ny Mpiaramombonantoka rehetra izay tsy ho voatanisa eto avokoa noho ny hamarony, eo ny manampahefร na rehetra taminโireo toerana nolalovanโny caravane, fa indrindra ny fitondram-panjakana izay nametraka ho lohalaharana ny fahasalamana ho anโny rehetra ary tsy hanavahana sokajy taona.
Iriana noho izany ny fitohizanโny hetsika toy izao.
Sary: angona