Mitohy hatrany ny ezaka efa natomboka aminโny fanatsarร na ny kalitaonโny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka sy ny tontolo iasanโny mpiasanโny fahasalamana.
Izany dia tafiditra ao anatinโny fanatanterahana ny politika ankabobenโny Fanjakana mikasika ny fahasalamam-bahoaka sy ny velirano fahadiminโ Andriamatoa Filohanโny Repoblika, Andry RAJOELINA.
Ny Talata 14 septambra 2021 lasa teo dia nitsidika ny CHRR Fenoarivo Atsinanana ao aminโny Faritra Analanjirofo, andriamatoa Tale Jeneralinโny Famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), Dr RAZAFIMAHATRATRA Rado. Nisy ny fihaonana nihainoana ny hetahetanโireo mpiasanโny fahasalamana any an-toerana sy nizarร na ny laharaham-pahamehanโny Ministeranโny fahasalamam-bahoaka ankehitriny.
Anisanโizany ny ady aminโny kolikoly, ny fanatsarร na ny tolotra ara-pahasalamana aminโny alalanโny famatsiana fitaovana, ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny mahaolona satria tsy vidiam-bola ny tsiky sy ny haja atolotra ireo tonga misitraka ny tolotra eny anivonโny Tobimpahasalamana. Tetsy andaninโ izay, nampianarina ihany koa ny marary hanaja ireo lamina napetraka eny anivonโny Toeram-pitsaboana.
Fantatra nandritra izao fitsidihana izao fa vitsy ny efitra fandraisana marary; tsy ampy ny isanโny mpitsabo mpandidy ao aminโny CHRR Fenoarivo Atsinanana ary nampanantena ny Ministera tomponandraikitra fa hijery vahaolana haingana.
Tsara ny manamarika fa ity Hopitalim-paritra ity dia anisanโ ireo manana fitaovana raitra raha tsy hilaza afa-tsy ny ยซ Radiographie numรฉrique, GeneXpert, Electroencephalogramme ยป, ary anisanโny mampiavaka azy ihany koa ny fananany ยซ espace vert ยป sy toerana fialofana ho anโireo mpanaraka marary.