ยซ Zo-ny vahoaka ny hisitraka fahasalamana ara-kalitao ary izay no isanโny antony nanaovana izao ezaka izao mba hanarapenitra ny tolotra ara-pahasalamana omena azy ireoโฆ manentana antsika mpiasanโny fahasalamana rehetra ary isika Vahoaka hahay hanaja ny foto-drafitrโasa satria na tsara tahaka ny inona aza izy ireny dia rehefa tsy mahay manaja isika dia vetivety dia simbaโฆยป.
Anisanโny nambaranโ Andriamatoa Minisitra, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ireo nandritra ny fitsidihany ny fandrosoanโny asa fanitarana ny ยซ services des urgences/ATU ยป etsy aminโny CHUJRA Ampefiloha ny tolakandron’ny Alakamisy faha 16 septambra 2021 lasa teo.
Santionany ihany izao hitantsika eto Antananarivo izao, fa isaky ny distrika aminโizao fotoana izao dia misy ihany koa ny fananganana CSB Manarapenitra, ary efa mandroso dia mandroso tokoa ny asa mikasika azy ireny.
Mitohy hatrany araka izany ny fanatanterahana ny velirano fahadimy nataonโny Filohanโny Repoblika taminโny Vahoaka Malagasy dia ny hanolorana fahasalamana ho anโny rehetra tsy anavahana sokajin-taona. Tsy mikely soroka aminโizany ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka ary vavolombelonโizany izao fanitร rana sy fampanarahana ny fenitra ny ยซ ATU โ CHUJRA ยป izao.