Araka ny nampanantenaina antsika mpanaraka ny pejy dia toeram-pitsaboana iray indray no andeha hofantarintsika miaraka hoanโny anio.
โ๐ต๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐, ๐๐๐
๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐โ๐๐๐๐ย ยป, izany no teny filamatrโity , toeram-pitsaboana fampianarana sy fanaovana fikarohana ho fisorohana ireo aretinโny ny nify sy ny ativava ary ireo trangam-pahavoazana ara-boajanahary na vokatry ny loza mahakasika ny faritry ny loha sy ny tava ity (Pathologies maxillo- facials). Tsy iza izany fa ny CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE Joseph Dieudonnรฉ RAKOTOVAO, na antsoina fohy hoe: CHU/JDR, izay hitantsika etsy Mahamasina, anelanelanโny hรดpitalibenโny Befelatanana sy ny ยซย CAMย ยป na ny โCentre d’Appareillage de Madagascarโ, aminโny lalana Ravelonanosy Mpampivelona.
Efa nanodidina ny taona 1945, no nisianโity toeram-pitsaboana ity ka ยซย Centre de Stomatologie de Befelatananaย ยป no niantsoana azy fahizany. Ny taona 1980 no niantombohanโny asa fandidiana โORLโ tao Befelatanana, ary tetsy Ampefiloha kosa no nisy ny sampan-draharaha nisahana ny fandidiana ny faritry ny loha sy atidoha (Bloc opรฉratoire du service de neurochirurgie).
Taminโny taona 1998 no nahaleo tena tanteraka ny toeram-pandidiana sy fampiantranoana ireo marary avy nodidiana. Niova ho ยซ Unitรฉ de Soins de Formation et de Recherche en Stomatologie et Chirurgie Maxillo-faciale ยป ny anarana nisalorany ny taona 2003. Notokanana ary nomena ny anarana ยซย CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE Joseph Dieudonnรฉ RAKOTOVAO’, kosa ny toeram-pitsaboana ny faha 21 Oktobra 2015.
Nakarina ny rihana ka notovonana toeram-pandidiana vaovao sy trano miisa dimy manara-penitra fandraisana marary avy nodidiana. Telo taona lasa taminโny faha 22-nโny volana aogositra 2018 no nanaovana ny fanokanana izany. Araky ny namantarantsika azy tetsy ambony dia sady toeram-pitsaboana no ivotoeram-pampianarana sy fanaovana fikarohana ho fisorohana ireo aretinโny ny nify sy ny ativava ary ireo trangam-pahavoazana ara-boajanahary na vokatry ny loza mahakasika ny faritry ny loha sy ny tava ny CHU/JDR. Raha ny mahakasika ny FITSABOANA sy ny fandraisana an-tanana dia hitanao ao ireo sampandraharaha mandray marary manomboka aminโny 07 ora sy sasany maraina ka hatraminโny 04 ora tolakandro, toy ny:
1- fikolokoloana sy ny fitsaboana ary ny fanalร na nify โService Odontologieโ.
2- Fandidiana. โService chirurgie maxilla-facialeโ, izay marihina fa manana trano fandidiana na โbloc opรฉratoireโ miisa 02 sy trano fampiatranona izay ahitana sokajy 03: Hoanโny sarababem-bahoaka sy ho anโny olon-tsotra ary hoanโireo antsoina hoe โVIPโ. Misy ihany koa ny โChirurgie plastique facialeโ hoanโireo izay maniry hanova ny endrika na hoanโireo izay tra-doza ka nisy fahasimbana ny aminโny faritry ny loha sy ny Tava.
3- Famelomanโaina โ Service reanimationโ
4- fitarafana sy ny fitsirihana mialoha izay mety ho fandidiana โRadiographie panoramique dentaire et retro-alvรฉolaireโ; izay tsy misy afatsy ao aminโny CHU/JDR sy any Fianarantsoa ary Toliary irery ihany raha ny miankina aminโny fanjakana.
Misy toerana fivarotam-panafody na โPharmacieโ hoanโireo olona rehetra mila izany aminโny fitsaboana atao ao an-toerana ny CHU/JDR. Toy ny hopitalim-panjakana rehetra dia manana ny tahiry manokana hampiasaina handraisana an-tanana ireo sahirana ara-pivelomana โdรฉmunisโ ihany koa ny CHU/JDR.
Manaraka hatrany ireo fepetra sakana ilaina ho fisorohana ny fiparitahanโny valanโaretina COVID-19 ny eto aminโny CHU/JDR ka anisanโizany ny fanananโizy ireo โtunnel dรฉsinfectantโ sy โbassinโ hanasanโireo olona rehetra tร nana mialoha ny hidiranโizy ireo ao aminโny Hopitaly.
Raha ny mahakasika ny FAMPIANARANA kosa dia ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpianatra ho paramedy no manovo fahaizana amam-pahalalana ao. Ho aminโny asa FIKAROHANA kosa dia manana efitrano miisa 02 lehibe ireo โinternes qualifiants โ hanatanterahany izany.
Mpitsabo matihanina sy voaofana manokana na โspecialistesโ no mandray sy mitsabo ireo marary rehetra tonga eny aminโny CHU/JDR, izay miara-misalahy aminโireo mpandraharaha na โadministratifsโ nahazo fiofanana hoaminโny andraikitra tandrify azy, toy ny fomba fandraisana sy fanoroan-dalana.
Koa raha misy olana na aretina mahakasika ny nify sy ny ati-vava dia aza misalasala fa afaka mandray ary manome ny tolotra ara-pahasalamana manaja ny maha-olona hoanโny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny CHU Joseph Dieudonnรฉ RAKOTOVAO.
Mankasitraka anao namaky ny ranty hatramin’ny farany. Manome fotoana anao amin’ny heriny anio toy izao indray.
Rohy pejy facebook รดfisialy CHU/JDR:https://www.facebook.com/chu.jdr.336
Sary sy fanadihadiana: SCM/DirCom- MSANP