Fividianana fanafody,fitaovana, ary ireo kojakoja entina miaro tena (EPI), ireo taminโny ankapobeny no niompananโny famoaham-bolanโny Ministeranโny fahasalamam-bahoaka, taminโny alalanโny โ๐๐ง๐ข๐ญ๐ฬ ๐๐ ๐๐จ๐จ๐ซ๐๐ข๐ง๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐ฌ ๐๐ซ๐จ๐ฃ๐๐ญ๐ฌ (๐๐๐)โ, nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, nanomboka taminโny taon-dasa ka hatraminโizao. Araka ny fanazavanโny Mpandrindra Nasionalinโny UCP, RAKOTOVAO Alain.
Ny antsasany mahery aminโio tetibola io no efa nampiasaina ary midika izany, fa mbola misy ny teti-bola hahafahana miatrika ny valanโaretina ankehitriny, izay tsy mbola tapitra hatreto.
Nanao tatitra mikasika indrindra ny nampiasana ireo vola ireo ny teo anivonโny UCP omaly teny aminโny Foibeny eny Ambohimiandra.
Voalaza nandritra izany fa โAmbulanceโ miisa 22 no novidianโny Ministera hatraminโny taon-dasa ary efa naparitaka manerana anโi Madagasikara. Teo koa ireo โConcentrateur dโoxygรจneโ miisa 1 200 mahery, ireo fandriana miisa 2 000 izay naparitaka manerana ny CTC-19. Nisy koa ny fividianana โsur-blouseโ maherinโny 1 tapitrisa, โMasqueโ 800 000 isa izay nampiasainโny mpiasanโny fahasalamana.
๐
๐ข๐ญ๐๐จ๐ฏ๐๐ง๐ ๐ง๐๐ก๐๐๐๐ก๐-๐ง๐ข๐ญ๐ข๐ฅ๐ฒ
Novidiana manokana koa ireo fitaovana fakana singa sy ireo โreactif de laboratoireโ. Izany hoe ireo kojakoja nahafahana nanao fitiliana sy namoahana ny tahanโireo olona voamarina fa nitondra ny tsimokaretina covid-19 teto amintsika.
Ireo fitaovana fanaovana fitiliana ireo izay nalefa teny aminโny LA2M ary ity farany indray avy eo no nanaparitaka izany. Anisanโny nisitraka azy ireny ny teny aminโny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be.
Ankoatra izay, an-tapitrisany ireo fanafody novidiana. Isanโizany ny โAzithromycine, paracetamol, vitamin C, Magnรฉ B6โ. Nisy koa ny fividianana ireo ยซ radiographie numรฉrique ยป miisa 25, sy ireo ยซ respirateurs ยป miisa 130.
๐๐ซ๐๐จ ๐๐ข๐ญ๐๐จ๐ฏ๐๐ง๐ ๐ก๐จ๐ฏ๐ข๐๐ข๐๐ง๐
Nilaza ny tomponโandraikitra eo anivonโny UCP fa ยซ Ambulance ยป miisa 65 no mbola hovidiantsika. Misy koa ny ยซ Genexpert ยป alefa eny anivonโny Distrika izay tsy manana ยซ laboratoire dโanalyse ยป mba hahafahana manao fitiliana eo an-toerana ihany. Miisa 10 ireo ยซ Genexpert ยป ho avy hatraminโny volana Jolay fara fahatarany. Ankoatra izay, misy โGenexpertโ 40 mbola hoavy ao anatinโny fiarahamiasa mpiara-miombonโantoka, araka ny fanazavana hatrany.
Fanampinโizay dia hisy ihany koa ny fanamboarana sy fanatsarana ireo โgรฉnรฉrateur dโoxygรจneโ eny anivonโny Hopitaly.
Izao fampitaovana izao moa dia tafiditra ao anatinโny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amintsika (Renforcement du systรจme de santรฉ).
Tsapa araka izany fa na dia eo aza ny fidinananโny tahanโny olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 dia tsy manao ambanin-javatra ny Fahasalamam-bahoaka ny Fitondram-panjakana aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamana sy ireo mpiara-miobonโantoka aminy fa manohy ny hatrany ireo ezaka efa natomboka handresentsika miaraka izao valanaretina izao.
๐๐๐ซ๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐๐๐ง๐๐๐ข๐ก๐๐๐ข๐๐ง๐: ๐๐๐/๐๐ข๐ซ๐๐จ๐ฆ-๐๐๐๐๐