Manao tohy vakana ireo mpiara-miombon’antoka manome tanana ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka manoloana izao ady iarahana handresena ny valan’aretina covid-19 misy eto Madagasikara izao.
Β« Extracteur d’oxygΓ¨ne Β» miisa 200 no natolotry ny UNICEF ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka io tolak’andro io teny amin’ny Β« hangar UNICEF Β» Andraharo.
Vantany vao tonga avy namita iraka tany Nosy-be Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka , Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis dia nandray avy hatrany ireo fitaovana ireo teny an-toerana.
Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny UNICEF ny tenany ary nampanantena fa ho tsinjaraina manerana ny Nosy ireo fitaovana ireo, hanoloana ireo izay nahitana fahasimbana teo am-pampiasana azy ary koa hanampiana isa ireo Β« extracteur d’oxygΓ¨ne Β» marobe am-perin’asa izay novidian’ny Fitondram-panjakana malagasy.
Ny famatsiana fitaovana toy izao moa dia tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amitsika ary nahafahana namonjy ain’olona maro.
𝐀𝐝𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐜𝐨𝐯𝐒𝐝-πŸπŸ—
𝐈𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐜𝐨𝐯𝐒𝐝-πŸπŸ—
π’πšπ«π² 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐒𝐑𝐚𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚: π’π‚πŒ/𝐃𝐒𝐫𝐂𝐨𝐦-πŒπ’π€ππ