Masaka ny nahandro, rehefa novolavolaina nanomboka ny volana Jolay 2019 sy nandalo fakan-kevitra teny anivon’ireo Tomponandraikitra isa-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (Foibe sy isam-paritra) sy ireo mpiara-miombon’antoka dia nankatoavina androany ny Boky mirakitra ireo Drafitr’asa entina hampivoarana ny sehatry ny Fahasalamana ho an’ny dimy taona manaraka izay fantatra amin’ny anarana « PDSS 2020-2024Β Β».
Tonga nanokatra tamin’ny fomba Γ΄fisialy ny atrikasa fankatoavana, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka,Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, notronon-dRamatoa Sekretera Jeneraly sy ireo Tale jeneraly ary ireo Tale eto amin’ny Ministera foibe.
Tonga maro namaly ny antso ihany koa ireo Tale Mpitantana ny HΓ΄pitaly sy ny solotenan’ireo Mpiara-miombon’antoka avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Nanatrika izao atrikasa fankatoavana izao tamin’ny alalan’ny « VisioconfΓ©renceΒ Β» ihany koa ireo Tale-paritra ara-pahasalamana sy ireo Tomponandraikitry ny fahasalamana eny anivon’ny Distrika ary ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra.
« Vahoaka malagasy salamaΒ Β», « fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavakaΒ Β», tsy mitsaha-mikaro-bahaolana ny eto anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatsarΓ na ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka, na amin’ny tolotra fiarovana io na amin’ny tolotra fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ny vonjy taitra.
Eo ihany koa ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana, amin’ny fandraisana mpiasan’ny fahasalamana vaovao, ny fanamafisana ny fahalalΓ na sy ny traikefan’ireo izay efa am-perin’asa, ny fananganana foto-drafitr’asa sy fampitaovana azy ireny, ary ny fanatsarΓ na ny fiaraha-miasa amin’ireo Mpiara-miombon’antoka.
Voarakitra ao anatin’io Boky io avokoa ny andinindininy mikasika ireo sehatr’asa notanisaina eo ambony eo ireo.
« Masa-bary, mainto kitozaΒ Β» ity araka ny fitenenana ka dia inona fa hitondra fanatsarana goavana ho an’ny Fahasalamam-bahoaka tokoa ny fampiharan’azy.
π’πšπ«π² 𝐬𝐲 π…πšπ§πšππ’π‘πšππ’πšπ§πš: 𝐃𝐒𝐫𝐂𝐨𝐦/π’π‚πŒ-πŒπ’π€ππ