« Ny Firaisankina no hery, asa-vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonanaΒ Β». Hita taratra ary azo tsapain-tanana ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny famaliana haingana ny hetahetam-bahoaka. Izany dia ho fanatanterahana hatrany ireo Velirano nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina RAJOELINA.

Fararanon-danonana ny tao amin’ny Distrikan’ Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra omaly 17 Desambra 2020, tafapetraka tamin’ny fomba Γ΄fisialy ny vato-fototra hanangΓ nana ny CSB 2 Manarapenitra sy ny Lapan’ny TanΓ na any an-toerana. Nahazo fiara vaovao fitaterana marary (Ambulance mΓ©dicalisΓ©e) ihany koa ny CHRD Ambatolampy. Tsikaritra nandritra izao fandalovana tany an-toerana ihany koa fa mizotra tsara ny fananganana ny Kianja Filalaovam-baolina manarapenitra.




Nanome voninahitra ireo lanonana maro sosona ireo, ny Minisitra telo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nahitana an’ Andriamatoa isany, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Minisitry ny Fambolena ny Fiompiana ary ny Jono.
Raha ny lafiny fahasalamana manokana no jerena dia manampy be ny vahoaka sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny fahazoana CSB Manarapenitra sy fiara vaovao mpitondra marary toy izao, amin’ny famonjena voina sy ny fitaterana ireo marary mila fitsaboana haingana hamonjy Tobim-pahasalamana lehibe, manoloana ny lozam-pifamoivoizana izay mateti-pitranga amin’iny Lalam-pirenena fahafito iny.


Nantitranterin’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa nanoloana ireo Mpiasan’ny fahasalamana marobe izay tonga nanatrika ny fotoana ny hampiharana hatrany ny fitsaboana manaja ny mahaolona sy ny ady amin’ny kolikoly ary indrindra ny fanajana ny fananana iombonana haharitra ho lovain-jafy.







π
ππ‘ππ¬ππ₯ππ¦ππ§π π‘π¨ ππ§’π§π² π«ππ‘πππ«π ππ¬π² ππ§π€ππ§ππ―ππ€π
πππππ ππ¨ ππ§π’π₯ππ§’π§π² π―ππ‘π¨ππ€π π‘πππ«ππ§π²!.
πππ«π² π¬π² πππ§πππ’π‘πππ’ππ§π: ππ’π«ππ¨π¦/πππ-πππππ