Rehefa avy nandalo tao amin’ny Faritra Androy dia nitohy eto Amboasary Faritra Anosy ny fivoriana fandrindrana asa izay nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta tarihin’ny Andriamatoa Praiminisitra, izay ahitana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka,ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Haitao ara-kajy mirindra, Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, nandray anjara fitenenana tsirairay ireo Minisitra nandrafitra ny delegasiona.
Ho an’i Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka manokana, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis dia ny fanamafisana ny eny anivon’ny CSB ara-kolona sy ara-pitaovana ary ny fanamorana ny asan’ireo « Agent de santé » no nasiany tsindrim-peo, mba tsy ho avy amin’ireo no hisian’ny sakana amin’ny ady atao amin’izao kere izao.
Misy ihany koa ny fanomezana ireo fanafody izay aparitaka eny anivon’ny CSB rehetra hanamafy ireo fanafody efa omeny Minisitera, ka apetraka amin’ireo CSB izay tena tsy misy fanafody na manao fandaniana be.