Tokantrano miisa 68231 tafo no misitraka ny famafazana faobe ranom-panafody mamono moka. Mpamendraka miisa 235 no misahana izany.
Faly ny mponina ary manantena ny hitohizan’izao hetsika izao isan-taona raha ny hetahetan’izy ireo izay tafaresaka tamin’ny iraky ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay midina ifotony manara-maso ny asa famendrahana aty an-toerana.
Fanirian’ny tsirairay tokoa ny ho salama sy hamokatra, hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra misy azy. Anilan’ny vahoaka hatrany ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay eo ambany fitarihan’ Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis amin’ny fiarovana sy fitsaboana azy ireo amin’ny aretina samihafa, anisan’izany ny Tazomoka.
Indro ary zaraina amintsika etoana ireo fepetra arahina aorian’ny famendrahana ranom-panafody mamono moka ny Tokantrano iray:
1) Hidina mandritra ny 2 ora ny trano, akatona tsara ny varavarana sy ny varavaran-kely.
2) Aorian’izay dia sokafana mandritra ny 30 minitra, hivezivezen’ny rivotra tsara.
3) Olona salama tsara ary tsy bevohoka no mamoha ny trano.
4) Fafàna ny vovoka sy bibikely milatsaka amin’ny tany, angonina ary alevina sahabo ho 40 santimetatra ambanin’ny tany tsy hohanin’ny biby fiompy.
5) Tsy lokoina, tsy lalorina, tsy ametahana afisy na sary ny rindrina ao anatin’ny 6 volana hampahateza ny herin’ny fanafody.
Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM – MSANP