Raha oharina tamin’ny taona roa teo aloha dia nahitana fihenana ny tahana Tazomoka ato anatin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo araka ny fanazavan’i Dr Hajasoa RAZAFIANDRIAMIFEHY, Lehiben’ny fiadidiam-pahasalamana aty an-toerana.
Ho fanamafisana izay vokatra azo izay dia misy ny famendrahana faobe ranom-panafody mamono moka na « CAID » ato anatin’ny distrikan’i Betioky Atsimo nanomboka ny faha 02 novambra 2020 lasa teo ary hifarana ny 03 desambra 2020 ho avy izao.
Ahitana toby fiaingana na « site opérationnels » miisa dimy aty an-toerana. Eo no miainga isa-maraina ireo mpamendraka mandeha mamonjy ny fokotany izay sahanin’ny ekipa tsirairay araka ny fandaminana izay efa voapetraka mialoha.
Raha ho an’ny « site opérationnel » ao Tongobory manokana, 25 km miala an’i Betioky dia mpamendraka ranom-panafody miisa 45 no misahana ny famendrahana isan’andro.
Tanjona ny hampihena hatramin’ny taha farany ambany ny olona voan’ny Tazomoka ho fanatanterahana ny velirano fahadimin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia ny hanome fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.
Ny hava-tiana hono tsy mahalavi-tany, sarotra ny lalana tsy mora ny asa saingy tsy mikely soroka ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiara-miombon’antoka avy amin’ny USAID Madagascar, amin’ny alalan’ny Tetik’asa PMI VectorLink amin’ny fanatanterahana izao hetsika famendrahana faobe fanafody mamono moka izao araka ny nambaran’i Dr Louisette SOANIRINA, Tale-paritra ara-pahasalamana Atsimo Andrefana mpisolo toerana.
Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP