Anio zoma 27 novambra 2020, dia nisy ny fitsidihan’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis ireo avy nodidiana « hernie »27 tao amin’ny Hopitaly Manara-penitra CHU Mahavoky Mahajanga.
Nohamafisiny fa zava-dehibe tokoa izao hetsika izao amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-5 ny Filoha ho fampanatonana ny vahoaka ireo fitsaboana mendrika azy.
Fitsaboana mendrika izay hatao ihany koa ho fitsinjovana manokana ireo sahirana.
Nasongadiny ihany koa fa na dia efa nitsangana tamin’ny taona 2013 aza ny Hopitaly Manara-penitra CHU Mahavoky dia ezaky ny mpitondra ankehitriny ny fampitaovana ka izao manomboka azo ampiasaina izao ny bloc opératoire.
Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP