Taorian’ny fandidiana faobe dia nisy ny fitsidihana ny CHU PZaGa Androva. Nandritra izany dia nitafa sy nanome toro-marika ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana eto an-tampon-tananan’i Mahajanga ny Minisitra roalahy izay tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao hetsika goavana mitsinjo ny Fahasalamam-bahoaka izao dia Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy Jeneraly RAVALOMANANA Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.
Nohamafisin’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamana hatrany fa tsy maintsy misy fiatraikany mivantana amin’ny sosialim-bahoaka ny asa izay atao, ohatra tsara azo alain-tahaka amin’izany ny fanaovana fandidiana « hernie » faobe toy izay, izay tafiditra ihany koa amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Sary sy Fanadihadiana: DirCom/SCM – MSANP