Natomboka androany ny fampiasana ny « bloc opertoire, » ao amin’ny Hôpitaly Manarapenitra CHU Mahavoky Mahajanga. Fandidiana zaza sy olon-dehibe voan’ny « hernie » miisa 24 no nisantarana izany.
Mpitsabo mpandidy avy eto Mahajanga sy avy any Antananarivo tarihin’ny Minisitra Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis no niandraikitra ny fandidiana.
Vahoaka malagasy salama no tanjona voasoritra mazava ao anatin’ny IEM. Izay salama tokoa no afaka mamokatra. Ny famokarana izay andrin’ny fampandrosoana haingana ny firenena rahateo.
Mitondra anjara biriky betsaka amin’izany ny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay eo ambany fitantan’ Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.
Ankoatra ny fandidiana maimaimpoana dia nisy koa ny fanomezana fanampiana mivantana ireo marary araka ny fanaon’ Andriamatoa Minisitra.
Sary sy Fanadihadiana: DirCom/SCM -MSANP