Anisan’ny làlana iray ahafahana mampandroso ny firenena ny fampitomboana ny tahan’ny olona mampiasa ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. Araka izany, ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra mikasika ny fandrindram-piterahana sy ho fanentanana ny olona hisitraka izany dia nisy ny atrikasa izay tanterahina eto Antsirabe, nanomboka ny Talata faha 17 nôvambra 2020 teo.
Mpiara-miombon’antoka maro no mifanome tanana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (DSFa) amin’izany, toy ny COMARESS, WISH2ACTION…
Tonga nanatrika sy nizara ny traikefany nandritra izao atrikasa izao, Dr Fanjambololoniaina Dominique RASAMOELINA, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Marihina fa maherin’ny 41% ny vehivavy 15 ka hatramin’ny 49 taona eto amintsika no mampiasa fanabeazana aizana raha ny valin’ny fanadihadiana notanterahana tamin’ny Taona 2018.
Sary sy fanadihadiana : DirCom/SCM-MSANP