Nanamarika ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Diabeta teto Nosy be (Hell-ville) androany ihany koa ny fitokanana ny « Centre de Diabète Giovanna Saracino ».
Araka ny hitantsika amin’ny sary izao dia Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis sy Ramatoa Solotena maharitry ny OMS eto Madagasikara, Prof. Charlotte FATY NDIAYE no nitokana ity « antenne » AMADIA any an-toerana ity.
Taorian’izay dia nisy ny fitiliana diabeta faobe izay nentina namaranana ny fankalazana.

Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP