Ankalazaina androany 14 novambra ny andro maneran-tany ho an’ny diabeta. « Ny Diabeta sy ny Infirmera »no lohahevitry ny fankalazana tamin’ity taona ity.

Any Nosy Be Hell – Ville no ivon’ny Fankalazana ho antsika eto Madagasikara izay iarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny OMS Madagascar ary ny AMADIA.
Manome voninahitra izany ny Delegasiona avy eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay tarihin’ Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.
Sary: DirCom/SCM-MSANP