Laharam-pahamehana hatrany ny fametrahana ny fisitrahanan’ny isam-batan’olona ny fahasalamana eny ifotony. Nohamafisina hatrany ny paikady miompana amin’izany araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fanangana-tsaina anio izay nitarihan’ny Talen’ny Kabinetra sy ny Tale Jeneraly mirahalahy. Toy ny fatao dia nisy ny fizarana sy fampahafantarana ny zava-bita nandritra iny herinandro lasa iny izay nataon’ireo Ivom’pitantanan-draharaha isa-tsokajiny eto anivon’ny Ministera ary tsy adino ihany koa ny nametraka ny asa sy tanjona vaovao indray izay ho tanterahana mandritra ny herinandro vaovao indray.

Hamafisina hatrany ny fanarahamaso ny fivoaran’ny aretina COVID-19 isam-paritra amin’ny alalan’ny ireo Tale mpiandrakitra ny faritra ho fihomanana ny fiakaran’ny taham-pihaboana ho ireo toerana mbola tsy nahatratra ny atao hoe « PIC ».

Hisy ihany koa ny paikady manokana hiatrehana ny tsy fahampian-tsakafo mianjady amin’ny vahoaka any amin’ny Faritra Atsimo ny Nosy vokatra ny fihidinana ifotony notanterahan’ny fitondram-panjakana izay notarihan’ny Filohan’ny Repoblika, niaraka tamin’ireo Delagasiona maro, anisan’izany ny Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka. Ankoatra ireo fametrahana toby fandraisana an-tanana ireo marefo ara-pahasalamana any amin’ireo Distrika hiarahan’ity loza voajanahary ity dia handefa mpiasan’ny fahasalamana miainga avy aty amin’ny foibe ny Minisiteran’ny Fahasalamana hanampy sy hanatevina ireo mpiasa efa any an-toerana. Mandritra ny telo (03) volana no hanatanterahana izao hetsika manokana ho fanohanana ny vahoaka any Atsimo izao.

Na eo aza izany rehetra izany dia fantatra fa ao anatin’ny famaranana ireo asa fatao an-davanadro ny sampandraharana samihafa, noho izany dia tsy maintsy harindra ihany koa ny fampandehan-draharaha rehetra eo anivon’ireo toeram-pitantanana isan-tsokajiny, toy ny fampiasana ny tetibolam-panjakana izay efa voatondro.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP