Nandray ny Prof. Charlotte Faty Ndiaye, solotena maharitry ny « OMS » miasa sy monina eto amintsika, andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, androany 02 oktobra 2020 teto amin’ny Birao fiasany teto Ambohidahy.
Izao no fihaonana mivantana voalohany teo amin’ny roa tonta. Niarahaba an’andriamatoa minisitra araka izany ny vahiny ary nirary soa azy hahavita be amin’ny andraikitra goavana izay sahaniny.
Nivoitra nandritra ny fihaonana, ny fahavononan’ny roa tonta hanohy sy hanamafy ny fiaraha-miasa izay mifototra amin’ireo vina dimin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka:
1) Ny fanatsarana na fananganana foto-drafitrasa
2) Ny fampitaovana izay foto-drafitrasa aorina
3) Ny olona hiasa eny anivon’izy ireny
4) Ny fanomezana tolotra manaja ny maha olona « humanisation des soins »
5) Ny ady amin’ny kolikoly.
Ankoatr’ireo dia noresahina ihany koa ireo asa maro samy hafa toy ny fanohizana ny fametrahana ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe na « CSU ».
Nanamafy ny fanohanany ny Minisitera hatrany ny « OMS » amin’ny lafiny rehetra, hanamafisana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara.
Sary sy fanadihadiana: SCM/MSANP