MITOHY NY ADY AMIN’NY « COVID-19 » : « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ».
Androany maraina dia tonga nanolotra fanampiana hanatsaràna ny ady amin’ny « Covid-19 » ny avy eo anivon’ny « Groupe FILATEX ». « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa no natolotr’izy ireo ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsara ny manamarika fa mahatratra hatrany amin’ny 12 litatra ka hatramin’ny 15 litatra isa-minitra ny fatra-na « oxygène » azo amin’ny fampiasana ireo « masque » ireo izay manampy betsaka tokoa amin’ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana ireo mararin’ny « COVID-19 » maneho fahaseporana na tranga misy fahasarotana.
Andriamatoa Minisitra no nandray tamin’ny fomba ôfisialy ireo tolo-tanana ireo ary nisaotra sy nankasitraka ny « Groupe FILATEX » izy amin’izao ezaka lehibe fanampiana ny mpiray tanindrazana izao.
Na dia hita ary fa mihatsara ny vokatra ho antsika eto Madagasikara, dia manentana antsika hatrany izy hitandro mandrakariva ireo fihetsika sy fepetra napetraka rehetra hanakanana ny fihanaky ny valanaretina. Mihezaka hatrany ny fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ahafahana mandresy ity areti-mandoza nampitondra takaitra ny firenena maro manerana an’izao tontolo izao ity. Anisan’izany ny fiaraha-mientana amin’ireo orinasa sy sampan’asa tsy miankina eto amintsika na avy any ivelany.
Nomarihany ihany koa misokatra amin’ny fiarahamiasa ankolafy rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao ady ataontsika handresena ny « Covid-19 » izao. Vonona ny mpiasan’ny Fahasalamana ary tsy andraraka ilo mby an-doha araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra hatrany.
Fanadihadiana : SCM/MSANP