Nisy ny fidinana tampoka nataon’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo delegasionina niaraka taminy, teny amin’ny « Service des Urgences, Réa-Néphro, Réa-Med » tao amin’ny Hôpitaly CHUJRA androany 28 Septambra 2020.
Nojereny akaiky nandritra izany ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona (humanisation des soins), ny resaka kolikoly, ny fahadiovana, ny fandraisana sy ny lamina eny anivon’ireny sampandraharaha ireny.
Hisy araka ny nambarany ny fijerena manokana ireo « Services des Urgences » rehetra manerana ny Nosy, ny fanatsarana ny fomba fandraisana marary, ny fanavaozana sy fanitarana ireo efitrano handraisana sy hanaovana ny sivana (Triage).
Hentitra Andriamatoa Minisitra, tsy hisy ny kiantranoantrano hoan’ireo izay tratra manao kolikoly eny anivon’ny Hopitaly. Ankoatr’izay, hisy ny fanadihadiana momba ireo toerana rehetra mandray ny vola eny anivon’ireny Hopitaly lehibe ireny, satria tsapa hoy izy fa misy tokony harenina amin’io lafiny io.
Raha ny eo anivon’ny CHUJRA manokana dia efa m
anomboka ny fanamboarana ny « Services des Urgences », ho modely hoan’ireo Hopitaly lehibe rehetra manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny lamina vaovao napetraka eny amin’io Hopitaly io ihany koa ny fanomezana maimampoana ny « pansements » hoan’ireo rehetra izay maratra ka tonga eny anivon’ny « Service des Urgences ».Natao izany hanamaivana ny fahasahiranan’ny vahoaka araka ny nambaran’Andriamatoa Minisitra hatrany.
Nojerena ihany koa ny teo anivon’ny « Service Réanimation néphrologique ». Noho ny hamaroan’ireo olona marary voa eto amintsika izay ilàna « dialyse chronique » sy ilàna « greffe rénale » dia nanambara Andriamatoa Minisitra fa efa miroso mankany amin’ny fananganana toerana ahafahana manao io « greffe » io ny Fitondram-panjakana ankehitriny.
Hatsaraina sy halehibiazina ihany koa ny « Service de réanimation médicale et toxicologie clinique » izay hita fa efa tsy maharaka ny filàna amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana manaja ny maha olona ka mila fanavoazana.
Fanadihadiana : SCM/MSANP