Toy ny fanao isaky ny fanombohan’ny herinandro dia misy ny tatitr’ireo zava-bita sy ireo mbola ho kinasa ataon’ireo foibe na « direction » eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Anjaran’ny « OFNALAT » na Ofisy nasiônaly miady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky androany no nanao ny tatitra nahakasika ireo asa vita tamin’ny herinandro lasa iny sy ireo vina hotanterahina mandritra ity herinandro vaovao ity.
Raha iny herinandro lasa iny tokoa no jerena dia anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny « CTC Mahamasina » sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ao anatin’ny fitohizan’ny ady amin’ny valanaretina « Covid 19 ». Teo ihany koa ny dia izay niarahan’Andriamatoa Minisitra tamin’ Andriamatoa Praiminisitra tany amin’ny faritra DIANA izay mbola tafiditra ao amin’ny ady amin’ny « Covid-19 » hatrany.
Taorian’izay dia nandray fitenenana Andriamatoa Minisitra ary nandritra ny lahateny izay nataony no nanaovany fanentanana mikasika ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly izay anisan’ny laharam-pahamehana itantanany ny Ministera. Noentaniny ihany koa ireo mpiara miasa rehetra ny amin’ny fitondrana ny « Badge » ato amin’ny toeram-piasana. Nohamafisiny ihany koa ny tokony hanan’ireo mpiara-miasa toe-tsaina mavitrika sy mailaka eo am-panatanterahana ny asa aman-draharaha rehetra sahanina ary ny tokony hanaovana izany am-pitiavana hatrany.
Ho fitohizan’ny fampandehanan-draharaham-panjakana sy ho fifandimbiasa-mpitantanana dia isan’ny nanamarika ny fotoana ny nanolorany fisaorana sy fankasitrahana ny Talen’ny kabinetra teo aloha Dr LAMINA Arthur sy ny nanolorany ampahibemaso ny Talen’ny kabinetra vaovao dia ny Prof. RAZAFIMAHANDRY Jean Claude.
Teo am-pamaranana ny lahateniny dia tsy adinon’ Andriamatoa Minisitra ny nisaotra sy nirary herinandro finaritra hoan’ny mpiasan’ny Fahasalamana rehetra.