Miezaka hatrany ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hanomana fotodrafitrasa hanomezana tolopahasalamana mendrika sy mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka.
Nisy arak’izany ny atrikasa momba ny « Couverture de Santé Universelle(CSU) », izay anaty programan’asa fototry ny fanjakana eo amin’ny sehatry ny Fahasalamambahoaka. Notanterahina androany 08 septambra 2020, teo amin’ny le pavé antaninarenina izany, ary aharitra roa andro.
Ny tanjon’ny atrikasa dia natao handinihina lalindalina kokoa amin’ny fametrahana io « CSU » io, hisy akony lehibe hoan’ny vahoaka Malagasy rehetra ny fametrahana azy ity satria dia afaka hisitraka sy hahazo ireo tolotra ara-pitsaboana sahaza ny rehetra tsy ankanavaka ,eny amin’ny toeram-pitsaboana rehetra miantomboka any amin’ny CSB na tobim-pitsaboana fototra ka hatreny amin’ireo Hopitaly lehibe(CHD,CHRR,CHU).
Marihina fa tafiditra tanteraka ao anatin’ilay « Plan d’Emmergence de Madagascar » ny fametrahana ity CSU ity satria dia ao anatin’izany ny velirano faha 05 : « fahasalamana mendrika hoan’ny rehetra ».
Sary sy Fanadihadiana : SCM/MSANP