Ireo torimarika nomen’Andriamatoa Minisitra nandritra ny « staff » ny alatsinainy 07 Septambra :
- Fanoloran-tenan’ny tsirairay ho amin’ny fitondran-tena mendrika azahoana fahombiazana sy vokatra tsara
- Samy ho tompon’andraikitra sy mahafehy ny adidy ankinina aminy ny rehetra isaka ny ambaratongam-pitantanana misy azy.
- Hanana fomba fiasa hentitra hitondra vokatra maharitra hipaka eny anivon’ny mpiara-belona sy ny fiaraha-monina.
Nandritra ny fivoriana dia tompon’andraikitra Telo no nifandimby nandray fitenenana:
Adriamatoa Tale jeneraly misahana ny fisorohana ara-pahasalamana no namelabelatra ireo fanamby sy asa miandry mahakasika ireo aretina mety hiteraka valanaretina eto madagsikara (Pesta, ireo aretina azosorohina amin’ny fanaovam-baksiny, Tazomoka paludisme sy arboviroses, Fièvre typhoïde, ireo aretina vokatry ny firaisana ara-nofo sy ny vih/sida, ny tiberkilaozy).
Nasiany resaka koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka « Fond Mondial ».
Andriamatoa Talé Jeneraly misahana ny tolotra ara-pahasalamana kosa no niresaka ireo vahaolana azo tanterahina mahakasika ny olana eo amin’ny « intrants de santé ».
Ny laha-dinika farany dia nataon’A driamatoa Talean’ny ady amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky (OFNALAT) : Nampahafantatra ilay tolo-dalana iadiana amin’ny fifohana sigara.